airtel

Politique

13-janv-2023

Politique

Nosy Kaomoro Lasa firenena matanjaka noho i Madagasikara

Sample post image

Nahazo aina 40% be izao eo mitaha amin’ny vola malagasy Ariary koa izany ankehitriny ny vola kaomorianina Franc comorien

13-janv-2023

rehefa atao ny kajy tsotsotra manoloana izay fihazakazaky ny fitotongan’ny Ariary tao anaty andro vitsy izay. 493,20 Franc comorien omaly ny sandan’ny vola eoropeanina na ny Euro. 1 Euro kosa dia mitovy amin’ny 4884,57 Ariary. Ny 10 janoary teo no tena nahavalalanina ny maro ny fahavizanan’ny Ariary satria dia efa nanafosafo ny 5000 Ariary, izany hoe, 4908,38 Ariary ny Euro teo. Na izany na tsy izany dia manodidina ny 9 Ariary mahery kely eo hatrany aloha izany ny sandan’ny Franc comorien ; raha ny omaly alakamisy zao dia 1 franc comorien = 9,90 ariary. Azo lazaina ho lasa firenena matanjaka noho i Madagasikara mihitsy izany amin’izao fotoana izao ny firenena kaomorianina ary tsy mahagaga raha izy ireo indray farany teo no nanome fanampiana ny firenena malagasy nanoloana ny takaitra navelan’ny rivodoza nandalo teto raha toa ka napetraky ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ho fanamby hatramin’ny nanaovany propagandy sy nandritr’izao fitondrana izao mihitsy ny hoe hanome fanampiana an’i Kaomoro na hampindram-bola an’i Kaomoro. Ny vava tokoa no tsy atao be eee.
Legende : tsy vitan’ny vava ny fampandrosoana fa mila ampitenenina ihany koa ny tarehimarika
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap