ary manaja ny lalàna ny Fanjakana ao anatin’izany. Raha mitaky ny hamoahana ny datim-pifidianana kosa ireo antoko samihafa, ny firaisamonim-pirenena,… dia toa tsy rototra amin’izany kosa ny governemanta. “Aoka ny lalàna velona izay mazava no arahintsika, tsy miteny ny lalàna hoe: ny governemanta no tsy maintsy mamoaka ny datim-pifidianana. Ny governemanta amin’ny alalan’ny didim-panjakana no miantso ny vahoaka ho tonga hifidy amin’ny daty tahaka izao. Mazava ny lalàna fa 90 andro farafahakeliny, ka raha fantatra fa any amin’ny novambra ny fifidianana ary tsy izaho irery no manapaka ny daty fa ny governemanta manontolo, efa azo ny soso-kevitra avy amin’ny CENI, dia any amin’ny volana aogositra no fanaikana ny vahoaka hifidy, izay no zava-misy sy lalàna velona”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nilaza fa tsy maintsy mijery ny tombotsoan’ny firenena, ka ny governemanta dia mametraka ny lamina rehetra, hanampy ny CENI, hanao ny asa tokony hataony mba hisian’ny fifidianana. Nanipika anefa izy fa tsy maintsy atao ny fifidianana, saingy tsy io ihany no tokony amin’ity taona ity fa ny fampandrosoana ny firenena, fijerena ny olana mianjady amin’ny vahoaka. Mitory hafatra io fa tsy fifidianana ihany no raharaham-pirenena. Raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray akaiky ny Fanjakana niainga tamin’ny resaka nataon’ny Praiminisitra moa, dia any ho any any amin’ny 12 jolay no hamoaka ny daty hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ny governemanta.
MIZIRIZIRY TSY HANOVA LALAM-PIFIDIANANA
Eo anatrehan’ny adihevitra samihafa, toy ny fitakiana fanovana ny lalàm-pifidianana, dia nanamafy ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Praiminisitra fa tsy manana fikasana hanovana ny lalàm-pifidianana ny governemanta amin’izao volana vitsy mialoha izao. “Ny zavatra misy dia miroso isika ary atao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana ny fanatanterahana fifidianana. Ny zavatra iray lehibe dia manahirana ny fanovana izany lalàm-pifidianana izany satria raha hanova izany isika, dia hanova zavatra maro. Tsy mahasoa antsika izany raha volana vitsy mialohan’ny fifidianana no hanaovana izany fanovana samihafa izany”, hoy ny Praiminisitra. Hatramin’izay nanentsi-tadiny sy nanidy varavarana momba ny adihevitra mikasika ny lalàm-pifidianana ny Fanjakana, ary milaza ankehitriny fa tery ny fotoana. Raha raisina amin’io, dia mirona amin’ny fanaovana fifidianana kaofiraoka, izay lojika satria manana tombondahiny amin’io. Raha hisy ny fikitihana lalàna sy rafitra, dia mazava fa tsy ho amin’io endriny io ny CENI, HCC,… izay ampangain’ny mpanohitra ho fitaovana eo am-pelantanan’ny fitondrana hanome tombodahiny azy. Ahoana izany ny toromarika fanintsiana na “recommandations” nataon’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny 2018 momba ny lalàm-pifidianana? Tena hitondra filaminana ve ny fifidianana handeha amin’izao endriny izao?
Toky R
Nandritra ny fitokanana biraom-pokontany tao Ambatolahikisoa Fianarantsoa omaly 25 may 2023 no nilazan’ny Filoha
Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).
Mihamafy ny krizin’andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena na hiniana sarontsaronana hatrany ny hoe : tsy misy krizy politika eto aza.
Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.
Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.
Terena hividy “polo orange” ny mpiasam-panjakana ?