airtel

Politique

02-mars-2022

Politique

Ntsay Christian « Tsy ho kandida izany aho amin’ny 2023 »

Sample post image

Nanambara Atoa Ntsay Christian omaly 01 martsa 2022 fa Praiminisitra notendrena handamina ny fandehan-draharaha eto anivon’ny firenena eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ary tsy mieritreritra ny hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena.

02-mars-2022

 “Ny zavatra iray lehibe izay imatimatesako, dia ny hanatanterahana ny vinan’ny Filoha sy ny politika ankampoben’ny Fanjakana. Amin’izao fotoana izao, marina tokoa fa misy resaka maro mikasika ny fifidianana, tsy kandida ny tenako, ary tsy kandida ny tenako androany, tsy ho kandida ny tenako amin’ny taona 2023, ataoko mazava izay”, hoy i Ntsay Christian. Tsiahivina fa ny 04 jona 2018 no voatendry ho Praiminisitra izy, taorian’ny faharavan’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier, rehefa nandeha ny tsindry politika tamin’ny hetsika notarihin’ny depiote 73. Izy no niantsoroka ny fikarakarana ny fifidianana Filoham-pirenena, izay nivoahan-dRajoelina ho mpandresy. Mbola izy ihany no notendren-dRajoelina ho Praiminisitra ny 24 janoary 2019, raha toa ka tany amin’ny fanendrena azy ho Praiminisitry ny marimaritra iraisana no efa nalailay fonosana ireo olon’ny TGV-MAPAR. Maro amin’ireo mpikatroka avy amin’ny antoko volomboasary no maniry ny hanoloana an’Atoa Ntsay Christian tamin’ireo fanovana governemanta efa nandeha. Nisy ireo olom-boafidy IRD, izay matetika no nanao felaka tehamaina amin’ny tsy fahombiazan’ny governemanta,… Mazava aloha izany iny hatreto fa tsy ho kandida ny Praiminisitra ankehitriny, tsy nanaraka ny làlan’ireo teo aloha, toa an’ireo Praiminisitra nanomboka ny 2009, izay nifaninana tamin’ireo Filoha nanendry azy: Monja Roindefo, Jeneraly Albert Camille Vital, Jean Omer Beriziky, Jeneraly Jean Ravelonarivo, Olivier Mahafaly Solonandrasana. Na tsy kandida aza, somary manahirana ny antokon’ny Fitondrana ny tsy maha volomboasary ofisialy azy. Voalaza fa tsara fifandraisana amin’ny Mpandraharaha matanjaka Atoa Maminianina Ravatomanga ihany koa ny Praiminisitra izay efa Tale jeneralin’ny SOLIMA (SOLItany MAlagasy) taloha, ary tamin’izany no nisantarana ny fitaterana ny solika tamin’ny alalan’ny « Camion citerne », izay ny Sodiat Petro anatin’ny Vondron’oriasan’io mpandraharaha io no isan’ny nanomboka azy. Isan’ny antony tsy nahafahana nanolo azy mihitsy ve izay ? Mbola tena milamina be toy ny taloha ve fifandraisan’ny Filoha sy ity mpandraharaha goavana ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap
08-mai-2024

Nisokatra ofisialy omaly 07 mey 2024 ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana

Card image cap
08-mai-2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

Card image cap
07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap