Iarahantsika mahalala, hoy ny mpanao politika sady mpahay tantara, Ny Antsa Rakotobe, fa ny FFKM foana no nitarika ny fanelanelanana ho famahana ny krizy teto Madagasikara sy ny fikaonandoham-pirenena hatramin’izay. Ny mety ahasamihafa azy, hoy izy, dia ny odidina na «contexte» niainana taloha sy ankehitriny. Ny irariana, araka izany, dia ny hoe ity no fikaonandoha hamahana tanteraka ny krizy eto Madagasikara. Ny FFKM no heverina fa tsy mitanila, afaka mamondrona ny mpisehatra rehetra eto Madagasikara. Tsy ho an’ny mpanao politika ihany tsinona io. Misy koa ireo tanora ireo izay heverina fa nitarika ny fihetsiketsehana rehetra tamin’ireny fotoana ireny. Tsy maha menatra ho anay Repoblikanina sy anatin’ny KFIM ny miteny hoe nanongam-panjakàna isika. Nanongana ny fitondràna Rajoelina isika tamin’ny alalan’ny fitarihan’ireo tanora ireo. Miova ny mpisehatra ankehitriny. Ny irariana dia tena hitondra fanovàna marina sy maharitra ho an’i Madagasikara ny fikaonandoham-pirenena amin’ity. Nivoaka ihany iny ilay tetiandro nisy fihemorana foana rehefa nialohavana fotoam-pivavahana sy fifampiresahan’ireo filoham-panjakàna tamin’ireo heverina fa mpikarakara ilay fikaonandoham-pirenena. Angatahana sy irariana indrindra ihany koa hoe tena hiainga eny amin’ny fokontany marina izany. Mbola somary mampametra-panontaniana ihany ny hoe maninona no mbola tsy misy serasera mikasika izany hatramin’izao raha toa ka kasaina atomboka eny amin’ny fokontany amin’ny volana aogositra izy ity? Tsy mbola fantatra hoe inona avy ilay ho resahina any amin’ny fokontany? Iza no hanetsika izany, manomboka hatramin’ny fahamaranana? Ny taontrano tsy efan’ny irery. Mila ireo hery hafa misy eto amin’ny firenena ny FFKM na dia ny lafiny fikarakaràna fotsiny aza. Tsy vita iray volana ny fikarakaràna izany fikaonandoha tiana hamaha tanteraka krizy, izay tsy maintsy ilàna fiaingàna eny amin’ny fokontany izany. Miainga any amin’ny fokontany ny fanorenana ifotony sy fanavaozana ifotony an’i Madagasikara. Manainga ny FFKM hiantso ny fiaraha-miasa amin’ny herivelona rehetra, noho izany. Nilaza ny filohan’ny fanavaozana fa manana ny vola azo hanaovana io fikaonandoha io isika ka tokony hijanona ho mpitazana fotsiny ny fianakaviambe iraisampirenena, noho izany. Tsy tokony hitsabaka mihitsy izy satria matetika izay mamatsy vola foana no tompon’ny fanapahan-kevitra. Mila atao mazava ny fifanarahana, noho izany, hoe mpitazana fotsiny ianareo na mamatsy vola aza ,hoy hatrany i Ny Antsa Rakotobe.
J. Mirija
Nifarana ny fitsidihana ofisialy