airtel

Politique

02-janv-2023

Politique

Ny omaly tsy niova Mitohy ny fampiesonana manara-penitra…

Sample post image

Samy niandry izay hambaran'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny rehetra ny sabotsy teo kinanjo tsy niova firy tamin'ireo efa re mahazatra. Raha nambara fa ho taonan'ny asa sy ny fandrosoan'i Madagasikara ny 2022 izay tsy hita aloha izay tena fahombiazan'ny Fanjakana,

02-janv-2023

dia nolazaina indray fa ho "taonan'ny fandresena sy ny fihariana ny 2023". Tsy adino ny niala bala tamin'ny covid-19 sy ady any Ukraine. "Tsy ho vita ao anatin'ny herintaona, na roa taona na telo taona ny firenena, fa tena mila asa fikirizana sy finiavana, mitaky fiarahamientana ary tsy maintsy misy ny zavatra atao ao anatin'ny fohy ezaka sy lavitr'ezaka", hoy Andry Rajoelina. Mifanohitra tanteraka amin'ilay nambara tamin'ny propagandy io hoe: "ny tsy vitan'ny mpitondra nifanesy tao anatin'ny 60 taona ataoko ao anatin'ny 5 taona". Nilaza fa tsapany ny fahoriana sy fahasahiranan'ny vahoaka Malagasy ary tsy mitazam-potsiny fa tena miasa andro aman'alina mitady vahaolana ny fitondram-panjakana.Tsy tokony ho kivy isika fa hanana fanantenana hatrany, hoy izy. Mbola misy azo antenaina amin'ity fitondrana ity ve? Naneho fa nametraka ny antsoina hoe: "Présence de l'Etat" tamin'ny alalan'ny fananganana fotodrafitrasa,... Ny ankamaroan'ireo nambara dia efa re ny fa naverina notanisaina : ho vita amin'volana jona 2023 ny lalampirenena faha 44 (RN44) mampitohy an'i Moramanga amin'Ambatondrazaka.Efa nanomboka ny fanamboarana ny RN13 ( Ambovombe -Amboasary -Tolagnaro), kanefa tsy mbola misy fe-potoana mazava hoe rahoviana no ho vita ny asa ary 107 km no mety ho vita raha 500 km eo n'my tena alavanh. Amboarina ihany koa ny RN10 mampitohy an'i Beloha - Ampanihy-Ejeda-Tsihombe-Toliara. Anisan'ireo lalana tsy maintsy asiam-panamboarana ihany koa ny RN2, RN4 ary RN6,... Ny indostria, notanisaina fa miisa 119 no vita hatramin'ny 2019, toy ny simenitra ao Ibity izay iarahana amin'ny Cementis ka hampidina ho ambanin'ny 15 000Ar ny lasakan'ny simenitra 50kg izay mbola tsy nisy nanao. Efa hatramin'ny tetezamita no nampanantenaina io. Ny fanodinana siramamy, lafarinina,... izay nilazana fa afaka 2 taona eo dia hahavita tena isika,...
PIMASO POLITIKA ?
Akaiky ny fifidianana dia toa mandeha ny karazana pimaso politika, nambara fa hitombo avo 3 heny ny tambin-karama omena ireo sefo fokontany rehetra manerana an'i Madagasikara manomboka ny volana janoary 2023. Raha 20 000Ar moa teo aloha dia nofaritana amin'ny tetibolam-panjakana fa hakarina ho 40 000Ar ka ity ve no hakarina avo 3 heny izany hoe : 120 000Ar? Manodidina ny 20 000 ny fokontany manerana ny Nosy ka raha raisina amin'izany dia 2,4 miliara Ar izany manerana ny Nosy. Ekena fa tahaka ny hoe nanao ezaka goavana ny Fanjakana amin'izany, saingy bitika io mitaha amin'ny tetibolan'ireo andrim-panjakana toy ny Fiadidian'ny Repoblika manodidina ny 300 miliara Ar, Primatiora 200 miliara Ar, Antenimierampierenena 79 miliara Ar,....
DIPLAOMASIA
Nosokajian'i Andry Rajoelina ho efa mipetraka ny fitokisan'ny iraisam-pirenena noho ny ezaka nataony. Notanisainy ho porofon'izany ny fihaonany sy ny fifampiresahany tamin'ny mpitantana ambony samihafa: Filoha Amerikanina, Filoha Frantsay, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, Lehiben'ny FMI, Lehiben'ny Banky Iraisam-pirenena. Nolazaina fa resy lahatra amin'ny vinany sy ny programan'asany ny mpamatsy vola, notanisaina ilay hoe: "champion"-n'ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanjarian-tsakafo, izay toa maneso raha ny vokatra,... Isan'ny naverina ilay hoe: "éligible" ho afaka hisitraka ny fanampiana ara-bolan'ny MCC (Millenium Challenge Corporation) kanefa mbola vao dingana fa tsy hoe: efa misitraka. Asa na tsaroany fa ny fanonganam-panjakana nataony tamin'ny 2009 no nahatapaka an'io? Tena izao tokoa ve no atao hoe: fahombiazana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap