Mitaky ny fanafoanana ny fanendrena an-dRtoa Randimbiarisoa Ramiakolisoa Mamonjisoa na Mishou izay Mpanolontsaina voalohany eo anivon’ny Masoivoho Malagasy any Frantsa izy ireo. Ity tompon’andraikitra ambony ity izay ampangain’ny mpiasa ho manao herisetra ara-tsaina, manambany, manararao-pahefana, mandrahona ireo mpiasa, mandrahona ny fanatsaharana ny fifanarahana arak’asan’ireo mpiasa ECD, tsy fanaovana tsinontsinona ny fitantanan-draharaham-panjakana, fanararaotana amin’ny fanaovana toeram-ponenana ny ao amin’ny masoivoho, fitondrana ny mpiasa ho tahaka ny biby,… Miantraika ara-batana sy ara-tsaina amin’ny mpiasa ny toetra amam-pihetsik’io Mpanolontsaina voalohany eo anivon’ny Masoivohontsika ao Paris io, hoy hatrany ny fanamafisana nataon’ireo mpiasa omaly. Nohamafisin’izy ireo aza fa maro ireo olona afaka mijoro vavolombelona amin’ny toetra ratsy asehon’ity tompon’andraikitra ity. Manantena sy mahatoky ireo mpiasa fa hisy ny fihainoana sy striny eo anatrehan’ny fitakian’izy ireo, ary vonona eo amin’ny fiaraha-mitady vahaolana mahomby miaraka amin’ny fitondram-panjakana mahefa. Nanambara noho izany ireo mpiasa, fa fitakiana fanairana ny omaly, saingy mety hitondra hatrany amin’ny fitakiana tsy miato mandra-pivaoahan’ny valiny mahafa-po azy ireo. Tsara ny manamarika ny sary famantaran’ny masoivoho sy ny fitombokase ara-dalàna ny fampitam-baovaon’ny mpiasan’ny masoivoho any Frantsa mikasika ny fitakiany. Nisy kosa tetsy an-daniny ny hafatra niparitaka tsy nisy fampahafantarana mazava hoe: avy aiza, ary naneho naneho fa hisy ny fandraisana fepetra eo anatrehan’ny fipariahan’ny fampahafantarana grevy sy fitakiana niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nilaza fa hisy ny fandraisana fepetra eo anatrehan’ny fampiasana ny “en-tête” ofisialy sy fitombokase izay manohintohina ny hasin’ny andrim-panjakana sy mpiasa sasany eo anivon’ny masoivoho. Nolazaina mihitsy fa hanao fanadihadiana anatiny ny masoivohontsika ao Frantsa mba hahafantarana ny tompon’andraikitra tamin’izany, ary hisy mihitsy ny fanenjehana araka ny lalàna,… Rehefa nojerena ny pejin-tseraseran’ny Masoivohontsika ao Frantsa, tsy nisy filazana mazava momba io, fa ny any fampahafantarana ara-dalàna nandeha dia ny filazana fa fikatonan’ny masoivoho noho ny grevy. Tsara ny mampahafantatra, fa niresaka zavatra maro ary nanitritrikitra ny fahamarinan’ny fiampangan’ny mpiasan’ny Masoivohontsika any Frantsa Rtoa Rinah Rakotomanga izay efa nalefan’ny fitondram-panjakana niasa tany taorian’ny nanesorana azy tsy ho Talen’ny serasera teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Naneho fa hijoro miaraka amin’ny mpiasa fa ampy izay ny fandeferana. Tsara ny mampahatsiahy fa ny fitondrana Rajoelina no nanendry an-dRtoa Mishou izay teo amin’io toerana io nanomboka ny septambra 2019.
ANY AMIN-DRAJOELINA NY BAOLINA
Ampangain’ny mpiasa ho manao zinona ny Ambasadaoro sy ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ity tompon’andraikitra ambony hanaovan’ny mpiasa grevy ity. Voalaza fa tsy te hahalala ireo lehibe, fa ny Filoham-pirenena ihany no fantany sy ireharehany. Any amin’I Andry Rajoelina sy ny ekipany noho izany ny baolina hoe: hiaro ity tompon’andraikitra ambony ity dia hanana olana sy hifanjinja amin’ny mpiasa ka mety hampikatso tanteraka ny Masoivoho ao Frantsa sa hisafidy ny hihaino ny besinimaro dia hilamina ny resaka? Asa mety hisy fanapahan-kevitra ve mandritra ny filankevitry ny minisitra rahampitso?
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,