Noventesina ny hoe: mpanao didy jadona, manitsakitsaka demokrasia, mpanao ampihimamba,… Raha notarafina tamin’ireny, tsy ho tahaka izao mihitsy ny zava-mitranga aty amin’ny 15 taona aty aoriana. Tany amin’ny tetezamita dia tsaroana tsara, fa na ny Filoha teo aloha efa nodimandry Pr Zafy Albert aza nosemporin’ny baomba mandatsa-dranomaso raha nikasa hiditra tao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo kanefa dia tao anatin’izao fitondrana izao indray no nanangana tsangambato ho azy mihidy ao amin’io kianja io, izay navadika ho zaridaina tsy ahafahana manao hetsika politika intsony. Ankoatra ireo mpanohitra toy ireo 11 nosamborin’ny Fitondrana ny 20 febroary 2022 ary nogadraina 3 volana rehefa nanao akanjo mena, Beharinirina Marcelin nosamborina ny 16 jona 2022 rehefa nanao antso fidinana an-dalambe izay nohelohina higadra 5 taona sazy mihatra. Stan’ley Ramarivelo nogadraina ny faran’ny taona 2022,… dia misimisy ihany ireo olona niara-dia sy namono tena ho an-dRajoelina tamin’ny fotoan’androny no misesy alefa any am-pigadrana, rehefa nisy ny tsy fitovian-kevitra. Any am-ponja efa an-taonany I Berija Ravelomanantsoa izay isan’ireo mpanohana fatratra an-dRajoelina fahiny ka aorian’ny fifidianana vao mety ho tafavoaka raha miova ny fitondrana; mihiboka any am-ponja Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia izay isan’ireo tena tànan-kavanan’I Andry Rajoelina tany aloha ary tena namono tena ho azy; tahaka izany ihany koa, natao fahirano ihany koa Atoa Lôla Rasoamaharo izay any am-ponja ankehitriny ary hatramin’ny orinasan-gazetiny mikatona, izay heverina fa misy antony ara-politika; efa 8 volana nigadrana izao I Mahery Lanto Manandafy izay nanohana fatratra an-dRajoelina tamin’ny 2018 ary tena nifamango tamin’ireo mpifanandrina tamin’ny mpifandrina tamin’ny volomboasary; izany Doris Rakoto Samuel izany dia isan’ireo IRD nafana fo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra tamin’ny fifidianana farany teo, saingy mitady ho any am-ponja ny ilan-tongony,... Natao tahaka siligaoma ve ireny olona ireny ka lany ny mamy nilaina taminy dia nariana sy halentika satria vita ny nilàna azy?
MISAMBOARAVOARA, MARO NO SOSOTRA
Ara-politika, miharatsy endrika hatrany ny Fitondrana Rajoelina noho ny antony maro. Efa taratr’izany ny karazana ady an-trano miseho amin’ny endrika maro, ireny fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka ny governemanta ireny izay ny IRD no maro an’isa; io fisian’ny depiote niara-dia tamin’ny fitondrana lasa miova lasy any amin’ny Mihava Tour io ary sahy milaza mihitsy ny mavomavo fa mbola maro amin’ny ao Tsimbazaza no hanara-dia azy ireo rehefa miala ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina; ireny kabary nivaivain’ny depiote IRD sady Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa nanatsikafona ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ireny; ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD teo aloha Atoa Tody Arnaud nilaza fa ireo olona diso fanantenana taminy dia ampy tsy hahalany intsony an-dRajoelina,… Efa nivoaka ny valan’ny fitondrana ireny, fa misy ireo ao anatiny fa sosotra na “frustrés” toy ny sasany izay naneho fa ny olona tsy nitolona indray no mahazo toerana ao anaty governemanta, misy ny mifandramatra amin’ny olon’ny governemanta, ao ny mahatsiaro ho anjorom-bala na any an-dapa aza, ao ny nisafidy ny hangina mihitsy,… Raha tarafina amin’ireny, nihena fa tsy mitombo ny hery politikan’ny fitondrana, misamboaravoara ny ao anatiny ka hamorona ekipa vaovao mihitsy ve I Andry Rajoelina amin’ny fifidianana sa ireo ihany no havadibadika eo?
Toky R
Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha
Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU
Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!
Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,
Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.
Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.