airtel

Politique

09-oct-2024

Ordonnance » hahafaha miditra anaty lisi-pifidianana

Mifarana ny 30 novambra, tsy azo entina mifidy fa hampidirana anarana

Sample post image

Nisy ny naoty N°2928-24/CENI/SE/DOER navoakan’ny CENI ny 04 oktobra,

09-oct-2024

manamafy ny fangatahana fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana ho an'ireo tsy anaty lisitra ho an'ny fifidianana. Fampiharana ny andininy faha-42 amin’ny lalàna fehizoro If-2018-008 tamin'ny 05 may 2018 momba ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Izay tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, hangataka alalana hosoratana ao amin'ny lisi-pifidianana amin'ny fokontany misy azy, dia afaka manao izany amin’ny alalan’ny, manao fangatahana fanamarinana tsy fisoratana anarana anaty lisitra eny amin'ny CID eny anivon'ny CED ampiarahana amin'ny dika mitovy voamarin'ny kara-panondrom-pirenena sy fanamarinam-ponenana (certificat de résidence) latsaky ny 3 volana: manao fangatahana didim-pitsarana (ordonnance sur requête) amin'ny filohan'ny tribonaly ambaratonga voalohany, mba anomezany hitsivolana (ordonnance) hampiditra anaty lisi- pifidianana an'ny fokontany misy ny fonenana, ka apaingotra amin'izany fangatahana izany ireto manaraka ireto: fanamarinana tsy fisoratana anarana anaty lisitra: dika mitovy voamarin'ny kara-panondrom-pirenenana, fanamarinam-ponenana latsaky ny 3 volana. Entina miverina eny amin'ny CED mialohan'ny faha 30 novambra 2024 ilay didim-pitsarana hoamarinina sy ampidirana ny mpangataka anaty lisi-pifidianana. Raha tara ny faha-30 novambra vao tonga eny amin'ny CED ny didim-pitsarana mandidy ny fanoratana anaty lisitry ny mpifidy dia tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana izay hanaovana ny fifidianana kaominaly ilay nanao fangatahana ka tsy afaka mifidy, ary ny didim-pitsarana tsy voadika anaty lisi-pifidianana dia tsy azo entina mifidy amin'ny andron'ny fifidianana. Ahazoana kara-pifidianana ny fahazoana didim-pitsarana mandidy fanoratana anaty lisi- pifidianana mialohan'ny faha 30 novambra ka eny amin'ny CED ihany no andraisana izany. Ny fomba fiasa eo anivon'ny CED amin'ny fanatanterahana izao naoty izao dia ho velabelarina anaty torolalana. Efa nisy moa ny antoko naneho ny ahiahiany mikasika io fanokafana indray ny lisi-pifidianana io sao sanatria misy ambadika politika hoenti-manome tombodahiny olona na vondron’olona na antoko ? Hitovy ve ny herijika ho an’ny rehetra amin’ny fahafahana mangataka an’ity « ordonnance » ity ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap