airtel

Politique

17-janv-2023

Politique

Orinasa amin’ny harena an-kibon’ny tany Hanaovana tsindry hitangosam-bola indray ?

Sample post image

Iny notaterin’ny filankevitry ny minisitra tao anatin’ny lahatsoratra lava dia lava ny alarobia 11 janoary 2023 teo iny ny tsy fanavaozana intsony ny fifanarahana momba ny hetra sy haba mikasika ny orinasa QMM any Taolagnaro.

17-janv-2023

Hatry ny ela ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina no nilaza fa tsy hita izay tena tombotsoa nentin’io orinasa io tany amin’ny Faritra Atsimo, raha tsy hilaza afatsy tamin’ny PEM Sud tany Atsimo ny volana jona 2021. Nialohan’izay dia efa nisy ny karazana fifanolanana momba ny resaka anjara petra-bola 20% an’ny Fanjakana, ka nilazan’ny Mpitondra fa hampanao “audit” izy ireo, saingy tsy hita izay tohiny. Tombanana fa resa-bola sy tombotsoa no heverina fa hanavaozana ny fifanarahana. Tena ho amin’ny tombotsoam-bahoaka ve anefa sa sanatria ny tombotsoan’olom-bitsy no tena hibahana? Fifandrifian-javatra ve ny hoe: akaiky fifidianana no mandeha izao resaka izao na ekena aza hoe: tapitra ny fe-potoana 25 taona? Mampanahy mantsy ny zava-misy satria vao ny tapaky ny volana desambra 2022 no nampahatsiahy sy nanamafy ny fitakiany ireo Kaominina 21 ao anatin’ny faritra Alaotra-Mangoro sy Atsinanana eo anatrehan’ny nanapahan’ny Fanjakana efa tao anatin’ny fotoana maharitra ny anjara latsakemboka tokony ho an’ny kaominina. Voalaza fa efa narotsaky ny orinasa Ambatovy tany amin’ny kitapombolam-panjakana, ka nafitsoky ny Fanjakana foibe izany ny anjaran’ny Kaominina isan-tokony, raha ny fitarainan’ireo. Lojika ary zon’ny Fanjakana tanteraka ny miady mba hitondra tombony ambony apanga ho an’ny firenena ny fisian’ny orinasa goavana mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto. Misy bokin’andraikitra ny fananganana an’ireny, misy lalàna, misy fifanarahana mazava, ny resaka hetra miditra amin’ny Fanjakana, ny fampandrosoana ara-tsosialy eo an-toerana,… Miteraka famoron’asa mivantana na ankolaka ny fisiany, ankoatra ny mety ho tombotsoa ara-ketra samihafa. Fandre teto amintsika hatramin’izay moa ny hoe: 1% fotsiny ve ny tamberiny, ary isan’ny novoizina hatrany io. Tsy sanatria miaro ireny orinasa lehibe ireny, fa raha misy ny tsy ara-drariny, dia anjaran’ny Fanjakana ny miresaka sy miady varotra, fa ny tsikaritra kosa dia betsaka ny don-tandroka niainga tamin’ny tetezamita. Adino ireo karazan-ketra sy tamberiny samihafa izay manodidina ny 40 izy izay, ny famoronan’asa, ny resaka sosialim-bahoaka,… ary matetika ny fanaovana kabary politika toa miantso ny olona hankahala ireo orinasa goavana. Mahavita mamorona asa an’aliny sy an’hetsiny indray mipoaka ve anefa ny Fanjakana raha misy sanatria ny fahalasan’ireo? Moa hanome endrika tsara ny faharisian’ny mpampiasa vola eto ve ny don-tandroka samihafa?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap