airtel

Politique

06-déc-2023

Paris - Frantsa

Hanao hetsika goavana ny Diaspora Malagasy

Sample post image

Hanao diabe ao amin'ny Place Trocadéro Paris, Frantsa ny sabotsy 9 desambra 2023

06-déc-2023

ho avy izao manomboka amin'ny 1 ora atoandro, ora any an-toerana ireo Malagasy monina any Frantsa. Diabe ho an'ny demokrasia no niantsoana azy izy ity, noho ny fahatsapana fa voahosihosy ny demokrasia eto Madagasikara. Fifidianana tsy nampiseho ny tena safidim-bahoaka no nitranga, zavatra maromaro niseho ka miteraka ahiahy ny amin'ny fizotry ny fifidianana.Ary na ny Amerikanina aza moa tamin'ny fanambarana nataony dia namerina indray ny amin'ny tokony hanatanterahana ireo soso-kevitra fanatsarana natolotry ny mpanaramason'ny fifidianana tamin'ny 2018 sy 2019 fa nodian'ny fanjakana Malagasy fanina. Na ny resaka fanakantsakanana amin'ny fanehoan-kevitra sy ny fisamborana, fanagadrana ireo sahy mijoro dia efa fanosihosena izany demokrasia izany ka tsy maintsy mihetsika mampiseho sy manaitra ny rehetra izahay, hoy ny diaspora Malagasy any Frantsa ka izay no anton'ny hetsika. Karazana hafatra manokana ho an'ny fianakaviambe iraisam-pirenena io, izay toa mikipy maso manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Mitohy ny tolona hoy ny diaspora malagasy any Frantsa ary tsy mahazo kivy na miraviravy tanana fa tsy maintsy mandresy ny tanjona.
RTT
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap