airtel

Politique

05-déc-2023

Pasitera Edouard Tsarahame

“Tsy maintsy mijoro isika hanavotra an’ity tanindrazantsika ity!”

Sample post image

80% na mihoatran’izany amin’izao fotoana izao no malagasy mitanondrika,

05-déc-2023

hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, Pasitera Edouard Tsarahame. Raha olona miheritreritra hitondra firenena ka tena tia tanindrazana marina mety mba mametra-panontaniana ihany hoe fa maninona no mitanondrika ny mpiray tanindrazana amiko, hoy izy? Mbola tany amin’ny fanomanana lisitra nefa dia efa nivoaka ny hoe “1er tour dia vita!”. Tsy faminaniana izany fa zavatra efa nomanina. Tsy mahagaga, noho izany, raha valim-pifidianana no resahana na ny HCC na ny CENI no namoaka azy. Na ny fitanana an-tsoratra na P.V aza mbola tsy tonga ao amin’ny HCC akory dia efa nivoaka ny valiny. Efa nisy valiny voahomana izany tao amin’ny HCC tao. Toy izany koa ny tao amin’ny CENI. Na nisy na tsy nisy ny 16 novambra dia efa iny foana no valiny fa izao te hisintona ny sain’ny rehetra. Tsy ny navoakan’ny HCC sy CENI izao no andrasan’ny olona na izay ho ataon’ny mpitondra fanjakana sy andriamatoa Andry Rajoelina. Taiza moa Rajoelina no nametra-pialana? Iza no nilaza fa nametra-pialana izy? Aiza no porofo fa nametra-pialana izy ary iza no namindrany fahefana? Tamin’i Ntsay Christian ve sa Jeneraly Ravalomanana? Asaina manokana izy izao any Dobay satria olona mbola filoham-pirenena fa tsy nanao famindram-pahefana. Efa nisy nigadra ireo vahoaka, nisy very fananana, nisy naratra. Izany no antony hitsanganantsika. Tsy ho avelantsika ho tahaka izany ny firenena fa tsy maintsy mijoro isika hanavotra ity tanindrazantsika ity! Hatramin’ny 2019 ny RMDM no efa nitsangana ka mila mampifandrindra tolona izao izahay sy ny vondron’ireo kandida satria isika tsy mila vazaha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap