airtel

Politique

26-sept-2023

Pasitera Mailhol

“Hampihavana ny mpanao politika ny Firenena Mikambana”

Sample post image

Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU

26-sept-2023

ary tsy hiala eto raha tsy ny 04 Oktobra ho avy izao raha araka ny vaovao azo. Somary miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina ny fahatongavan’izy ireo amin’ny ankapobeny izay nanehoan’ireo mpanao politika sasantsasany ny heviny ihany koa. Ho an’ny pastera Mailhol, filohan’ny antoko politika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara manokana dia nambarany fa tena mahaliana ireo tera-tany vahiny i Madagasikara ary tena tiany. Amin’ny maha-Ray aman-dReny azy ireo hoy izy no hahatongavany eto an-tanindrazana. Rehefa tsy mety hampihavanin’ny samy Malagasy mantsy hoy izy ny Malagasy dia ny vahiny mihitsy no ho avy hanatanteraka izany. Nohamafisiny fa izany mihitsy no antony tsy nilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena. Aleo mijanona ho mpampihavana sy mpanoro hevitra hoy izy fa tsy mety raha amin’ny maha-pastera ny tenako no hidirako amina fifandonana politika tahaka izao misy eto amin’ny firenena izao. Na izany aza anefa dia nomarihiny manokana fa anisan’ny hakan’ny ONU soso-kevitra ihany koa ny antoko GFFM tarihiny sy ireo antoko politika maro samihafa misy eto Madagasikara. Miankina amin’ny firenena mikambana araka izany hoy izy ny famaritana raha azo tanterahina ny fifidianana izay ho filoham-pirenena na tsia. Ny mba hahafahana misoroka ny korontana mety hitranga no antony hoy hatrany pastera Mailhol. Tsy te-hahita zavatra tsy mety eto amin’ny firenentsika ny ONU hoy hatrany izy.
Pati
Legende : Pastera Mailhol Andre Christian Dieu Donne,, filohan’ny antoko GFFM !

 

Dans la même rubrique

06-déc-2023

Hanao diabe ao amin'ny Place Trocadéro Paris, Frantsa ny sabotsy 9 desambra 2023

Card image cap
05-déc-2023

Hatramin’izao ny Federasionin’ny gadra politika na FEDEP dia mbola tsy manaiky ny maha filoham-pirenena

Card image cap
05-déc-2023

Raha nametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina talohan’ny nilatsahan’ny ho filohan’ny repoblika

Card image cap
05-déc-2023

Mametraka foana ny antoko politika Marina, hoy ny filohany, Désiré Ranaivoson,

Card image cap
05-déc-2023

Ny 15 desambra izao no hifarana ny fotoam-pivoriana ho an’ny solombavambahoaka.

Card image cap
05-déc-2023

Fanorolahy Antoko politika miezaka mijery hatrany ny tombontsoam-bahoaka ny antoko Fanorolahy,

Card image cap