aza miala andraikitra fa ianao no nanolotra ny minisitry ny volanao ho kandidanao ny taona 2013, ianao no nampifidy an'iny. Tsara no nataony, dia misy andraikitrao, ratsy ny vitany, dia izay izany ny vitan'ny olona natolotrao. Resaky ny mpiala andraikitra izany hoe, nanolotra ny vatany fa tsy tompon'ny fanahiny, angaha ireo afaka misaraka, raha tsy hoe maty angaha”, hoy Atoa Patrick Raharimanana naneho hevitra momba ny fomba firesaka sy fihetsiky ny Filoha Rajoelina, matetika miala andraikitra sy manilika any amin’ireo mpitondra nofanesy. “3 mandats izany no vitanao, ary mbola hikatsaka 4e mandat, izany hoe 20 taona eo amin'ny fahefana no tadiavinao, ka tsy ny ampahefatry ny Repoblika ve no ataonao, ka anome tsiny ny hafa eto foana. Tsy nisy Andekaleka angaha tamin'ny 2009, ka iza no omenao tsiny tsy nanao “entretien” an'io, ka zao vao hoe ranenibe ny milina ? Naninona tsy namboarina izany nandritra ny 13 taona naha teo anao ? Aza mitady izay hanilihana (bouc émissaire), fa vahao ilay olana jiro sy rano, izay no nifidianan'ny olona anareo eo.vRaha tena mitsinjo ny mpanjifa ianareo, dia aza atao anaty faktiora aloha ny "abonnement", izay antoka hisian'ny ty sy 'nday amin'ny fifanarahan'ny mpamokatra sy ny mpanjifa. Esory ihany koa ny TVA satria ny tolotra omen'ny fanjakana dia zero, ka tsy mendrika omena azy ny hetra momba ny jiro sy rano”, hoy hatrany Atoa Patrick Raharimanana.
Toky R
Manahiran-tsaina tanteraka sy tena mampanofy ratsy ny Fanjakana ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay atahorana mafy ara-politika. Arakaraka ny hihetraketrahana azy no toa vao mainka mampahazo vahana azy.
Mangingina tsy re feo firy indray ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Tsy dia hita tabilao firy, ary efa matetika io.
Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.
Isany voaresaka ato amin’ny laharana faha 13 amin’ny gazety boky Demokrasia izay navoakanay, hoy ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny biraon’izy ireo
Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,
Herintaona sy tapany sisa hananan’ny Fitondrana Rajoelina hanatanterahany ny veliranony, hanentsenana ny lavaky ny tsy fahaiza-mitantana. Ho sarotra izany, raha tarafina amin’ny fomba fiasa hatramin’izay.