airtel

Politique

14-sept-2023

Patrick Raharimanana FTT

“Tolona ho an’ny firenena ity, vitantsika io, aza manaiky ho resin’ny ratsy”

Sample post image

Raha te hanova rafitra, na te hanova mpitondra, na te hiala amin'izao zioga ampitondraina ny vahoaka Malagasy izao dia misy safidy 4 :

14-sept-2023

Midina an-dalambe ny vahoaka, saingy hiteraka krizy sy mety hisy faty olona satria ny fitondrana ankehitriny dia hamoritra tsy hisian'izany hetsika izany, na am-pilaminana aza. Fanonganam-panjakana miaraka amin'ny basy na miaramila, miteraka dy an-trano, ary dia ho sahirana eo amin'ny fifandraisana amin'ireo Firenena vahiny, lasa tetezamita hiadivan-tseza, ho potika ny toekarena,... Tsy handray anjara amin'ny fifidianana saingy dia manome malalaka izao fitondrana izao hilaza fa lany “1er tour”. Handray anjara amin'ny fifidianana, ary hiaraha-mientana amin'ny fanaraha-maso izany, ity no hany lalana tsy hisian'ny ady an-trano sy krizy eto amintsika, raha tena mandray andraikitra isika rehetra, hoy I Patrick Raharimanana avy amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana izay nanolotra ny kandida Tahina Razafinjoelina. Tolona ho an'ny Malagasy, tohin'ny ady nataon'ireo Raiamandrenintsika izay namoy ny ainy ho faleovantenam-pirenena, hoy izy. Samy mitondra izay ananany, samy manome izay vitany, tsy voatery ho vola, mety taratasy fotsy, mety fotsim-bary ho an'ireo hiandry ny vato, mety tolo-tanana fibatana “estrade”, mety hevitra, mety tsikera hanatsaran-javatra, mety “partage facebook”, mety “commentaire” anentanana ny namanao, mety vavaka ihany koa, asa mangina,… Aza adino, hoy izy, fa 10% n'ny Malagasy mpifidy ihany no nifidy ny mpitondra nifandimby, ka isika 90% ve dia anaiky ho resin'ny ratsy ? Tadidio fa isika nianatra rehetra, isika eto amin'ny facebook, izay maro an'isa no tonga saina amin'ny zava-misy, dia efa mihoatra ny 5 000 000 ny isantsika, misasaka amin'ireo mpifidy 10 000 000. Vato 2 000 000 no ilaintsika dia tafita 1er tour tsy misy fameriny. Olona 500 000 fotsiny izany, mandresy lahatra olona 4 dia tadidio, fa fianarana tsy andoavam-bola no miandry antsika afaka 3 volana, mpampianatra manana ny hasiny sy ho lasa mpiasam-panjakana avokoa ireo mampianatra amin'ny sekolim-panjakana, famokaram-bary 4 avo heny, ka samy ahazo ny tandrify azy avokoa ny rehetra afaka fotoam-pambolena roa taona. Ireo mpianatra sy mpampianatra rehetra any amin'ny tsy miankina dia hisy fijerena manokana. Samy hisitraka jiro mandeha amin'ny herin'ny herinaratra isan-tokatrano. Hanana asa ny tanora. Hisy ny famatsiam-bola amin'ny sarany ambany dia ambany avy amin'ny banky Malagasy hiorina. Madagasikara niomerika no tanjona, hifehezana ny vola, hanana teti-bola sahaza azy ny isaky ny faritra, kaominina, fokontany, hanapa-kevitra amin'ny fampandrosaoana tiany atao ny any ifotony. Hipetraka ny fandriam-pahalemena, na ny halatromby ho voafehy. Voafehy ireo mpiasam-panjakana, ka ho foana ireo “fonctionnaire fantôme” mandany volam-panjakana, azo ampiharina ny fampiakarana ny karama, ny fijerena ny “grille indiciaire”, ireo “indemnité” isan-tsokajiny. Hisy “internet gratuit”avokoa ny sekoly, ny anjerimanontolo, ireo seranam-piaramanidina, ireo seranam-pitaterana, ireo hopitaly. Ho an'ireo tantsaha, mpamboly, mpiompy, mpanjono, dia hiditra amin'ny sehatra matihanina, hisy ireo sekoly fampianarana izany sehetra izany isam-paritra, ampiana ireo mpianatra hisehatra anitatra ny tany vokarina,,… hoy ny ampahan’ny fanehoan-keviny, izay manamafy ny firaisankinan’ny Malagasy tia tanindrazana no hahatrarana ny tanjona, ary izay ilay hoe: miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia!
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap