hitantanako io antoko io, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha sady mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Miandry vinam-piarahamonina vaovao sy teti-panorona maty paika i Madagasikara amin'izao akatoky ny faha 63 taona niverenan'ny fahaleovantena izao, hoy izy. Politikam-pampandrosoana amin'ny lafiny toekarena, sosialy, fambolena, fizahantany, fahasalamana, fampianarana, ho an’ny tanora, mpanao asan-tanana, vehivavy, mpiasam-panjakana, mpandraharaha, mpiasa tena, mpiasa amin’ny orinasa sy sehatra tsy miankina no hahafahana manome hasina sy lanja ny ady hevitra politika eto Madagasikara. Iarahana mijery ny fototr’olana ary iarahana volavolaina ny vahaolona. Koa manao antso avo amin’ireo mpiray tanindrazana tsy an-kanavaka hifandrimbona sy hifanoro hevitra ary hiaradia satria ny taotrano tsy efan'irery ary ny raharaha politika tsy azo avela ho an’ny mpanao politika irery ihany. Isika rehetra dia afaka mitondra ny anjara biriky amin'ny fanarenana ny firenena ary samy tomponandraikitra amin'ny hoavin'ny taranaka faramandimby. Misokatra ny varavaran'ny antoko politika Ny fireneko amin'ny fijery rehetra, amin'ny olona rehetra, amin'ny sehatr’asa rehetra satria mendrika ny tsaratsara kokoa i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny