tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

PEM hanaovana seho goavana Ho poakaty tahaka ny IEM indray…

Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy manomboka rahampitso 28-30 oktobra 2022 ny PEM (Plan Emergence Madagascar).

27-oct-2022

Sample post image

Efatra taona aty aorian’ny nahazoana fahefana vao mikofokofoka ny Fanjakana Rajoelina hampanantena izao zavatra maro toy ny efa natao tamin’ny propagandy ihany. Karazana efa fiaingana vaovaon’ny propagandy sy ny fampanantenana ho an’ny taona 2023 hisian’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka indray aza io. Ny zavatra tahaka ireny mantsy, matetika progarama ao anatin’ny fe-potoana iasana iray, ary raha ny ampahana antontan-kevitra efa niparitaka aza dia drafitra ao anatin’ny 10 taona na “plan décennal”. Mino sy manantena 100% ve izany I Andry Rajoelina sy ny ekipany fa mbola ho azon’izy ireo ny fandresena amin’ny taona 2023? Niantso ny banky Rothschild hiara-hitantanana, voalaza fa mampiasa sy manarama cabinet vahiny hanamboatra ny fifandraisana any ivelany indrindra fa amin’ny Frantsay ary eo ihany koa ny fanatsarana sary eo anatrehan’ny vahiny ka hatrany amin’ny 700 000 dolara ny sora-bola voatonona tamin’io,…

MANANTENA AN’IZA?
Raha mampitaha amin’ny Fanjakana teo aloha, tany amin’ny taona 2014 no tonga teo amin’ny fitondrana, tany amin’ny desambra 2016 no nisy fikaonan-doha niaraka tamin’ny mpamatsy vola na ny “conference des bailleurs” taorian’ny fandraisantsika ny Fivoriamben’ny Frankofonia. Nahazo fampanantenana famatsiam-bola hatrany amin’ny 10,6 miliara dolara ny Fanjakana Rajaonarimampianina, izay heverina fa tsy tena tafavoaka ny baolina noho ny antony maro: vaky ny raharaha Claudine Razaimamonjy izay heverina fa nanaovana pi-maso ny vahiny fa tena miady amin’ny kolikoly ka tsy nanisy henamaso na tamin’iza na taminiza. Ekena fa nisy ny karazana “scandales” na hadalana sy afera nataon’ny mpitondra na olon’ny fitondrana sasany, fa mbola resin’ity Fitondrana ankehitriny ity 5-0 raha ampitahaina amin’ny baolina kitra. Voambolana tsy miteny amin’izao fitondrana izao ny Fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, mangarahara, ady amin’ny kolikoly,… izay tena takian’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Atoa Hery Rajaoanarimampianina aza manam-pahaizana ara-toekarena, mpampianatra amina oniversite maro maneran-tany ikoizana, nahavita namerina ny fifandraisana tamin’ny mpiara-mpamatsy vola izay tapaka taorian’ny 2009 mbola ireny ny nahazo azy ka atao mahagaga ve ity fitondrana ity? Mbola misy azo antenaina aminy? Iza no antenaina hamatsy ilay PEM sa ireo “investisseurs sac à dos”? Efa voarafitra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 ve ny fanatanterahana ilay PEM sa resaka ambony latabatra sy kisehoseho ivelany fotsiny tahaka ireo maro hafa? Ny sary sy ny serasera indray no hampitenenina, fa tonga maro ny mpiara-miombon’antoka, vonona ny mpamatsy vola,… Ny efa natao tamin’ny IEM ihany no hiverina, saingy zavatra poakaty no betsaka. Raha nisy ny fitokisan’ny mpamatsy sy ny mpampiasa vola na nisy ny vola, efa notokanana ny Tanamasoandro, fly over, pôle urbain, teleferika.

Toky R


 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus