Nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Ministera sy ny Bianco izany. Maharitra telo (03) taona izao fifanaraham-piaraha-miasa izao, ka hifarana ny taona 2025 ary handalo tombana alohan'ny hanavaozana izany indray. Nanambara ny Tale Jeneralin’ny BIANCO Laza ANDRIANIRINA fa ady iaraha-manana ny ady amin’ny Kolikoly ary midika fahavononana sy fandraisana andraikitra feno izao hetsika ataon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitananam-bola izao. “Fitarihana faka tahaka izao ataonao izao” hoy izy nitodika tamin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Nilaza kosa ny Minisitra RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, far aha tsy atao toy ny finoana arahana as any famongorana ny kolikoly dia ho zava-poana ihany. Nanazava moa ity Minisitra ity, fa ao anatin’ny fanadihadiana amin’izao hoe ohatrinona marina ny volam-panjakana very satria tena manimba ny fitantanam-bola ny kolikoly, ka izay no antony hanaovana ny fifanarahana amin’ny Bianco. Mifamatotra izahay satria manokatra varavarana amin’ny Bianco ahafahan’izy ireo mitsirika ny zava-misy eo amin’ny Minisitera, ahafahany mahazo ihany koa ny antontan-taratasy sy ny antontan’isa izay mety ilainy amin’ny fanatanterahana ny asany. Efa ireo Minisitera rehetra no nanao fifanarahana tamin’I Bianco. Tamin’ny herinandro, nisy olona tratra nanambaka ireo beantitra, naka vola tamin’ny anaran’ny Minisitera. Ny sampan-draharahan’ny hetra, haba, fadin-tseranana,… no isan’ny ahitana kolikoly betsaka, mampihena ny vola miditra amin’ny Fanjakana. Tsy vaovao intsony ny resaka kolikoly eto amintsika, mampiteny ny moana, ary matetika tsy voakitika ireo tena atidoha na “trondro vaventy”. Isan’ny mahakivy ny mpamatsy sy mpampiasa vola ireny, ka heverina fa isan’ny pimaso ataon’ny Fanjakana ihany koa itony fihetsika miseho itony.
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika