fifidianana dia maharesy foana isika ary raha mbola kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena aho dia mbola handresy ihany”, hoy izy ny herinandro teo. Efa karazana don-tandroka tahaka ny natao tamin’ny 2018 hoe: “na inon-kidona na inon-kitranga, isika tsy maintsy mandresy”. Ho tahaka izany ve anefa ny mety ho endriky ny sary politika amin’ity 2023 ity? Mety azo raisina ho fampaherezan-tena ireny. Ara-tsosialy sy ara-toekarena, ratsy ny vokatra, miha mahantra ny vahoaka, miteny ho azy ny tarehimarika samihafa. "Ny vaton'ny olona nifidy azy tamin'ny 2018 ka leo azy ankehitriny dia efa ampy tsy hahalany azy, fa asaivo milatsaka foana anefa izy mba ahafantarany azy satria mety tsy mino izy, fahanan'ny mpomba azy lainga loatra izy", hoy ny Depiote IRD teo aloha Atoa Tody Arnaud ny faramparan’ny taona 2022. Raha mijery ny fidangan’ny vidim-piainana misy manodidina ny 100% ny fiakarana. Ohatra mivaingana, ny vary novidiana 1500 ariary ny iray kilao tamin'ny dimy taona lasa vidiana 3000 ariary mahery ankehitriny, ny menaka novidiana 5000 ariary ny iray litatra no vidiana 10000 ariary ankehitriny. Ara-politika, ny krizin’andrim-panjakana mihamafy, ary toa sarotra alamina ny olan’ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena, lasa ady anatiny eo amin’ny samy mpomba ny Filoha. Nahitsy ny mpandinika politika Atoa Constant Raveloson tao amin’ny fahitalavitra iray herinandro mahery izay, nilaza, fa tsy manana fahefana mihoatra ny Praiminisitra Ntsay Christian intsony ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa ny Praiminisitra no nanao ny fanovana sy fanendrena fa tsy niankina tamin’ny fahefan’ny Filoha intsony, raha ny nambarany. Sarotra izany aloha ny mifehy an’I Mahazoarivo!? Sosotra ihany koa anefa ny sasany ao Tsimbazaza, depiote manodidina ny 30 no ao ambadiky ny fitakiana ny fanamarinan’ny HCC fa nandika lalàna ny Filoham-pirenena. Avotra ny Praiminisitra fa mifototra any amin’ny Filoha noho ny hoe: nandika ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana raha nampivory ireo depiote IRD nanatseforana an’iny. Mety efa karazana familafilana sy takalon’aina politika hoe: very ianao raha ialanay ihany ny nataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sady Filohan’ny Zanaky ny Faritanin’I Fianarantsoa? Efa misy mandrirotra ara-politika ihany koa ny nanesorana ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Raharinirina Baomiavotse izay zanak’I Fianarantsoa. Toa ampiadiana amin’ireo olona tena namono tena ho azy ihany koa I Rajoelina, raha tarafina amin’ny alahelon’ny TGV sasany!?
MAMETRAKA NY OLONY NY KARANA?
Ekena ary hajaina ny traikefa sy fahaiza-manaon’ny tsirairay, saingy amin’ny politika dia azo adika ihany koa fa mametraka ny olony ny karana, raha tarafina amin’ny fanendrena tompon’andraikitra stratejika eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ny Talen’ny serasera sady mpitondra tenin’ny Filoha izay efa avy Tale kabinetra, dia avy tany amin’ny Vondron’orinasa ana karana matanjaka. Ny Tale Kabinetra vaovao dia efa mpiasa ambony tany amin’ny Vondron’orinasa karana matanjaka,... Fifandrifian-javatra ve sa kajy politika? Fanamafisana ny fianteherana politika amin’ny karana mpanam-bola? Inona no tambiny ho an’ny ankehitriny sy ny ho avy? Fahalalahana sa mety ho fifehezana ilay Filoha? Mihatery ny làlan-kivoahan-dRajoelina ao anatin’ny toe-draharaha politika, raha raisina amin’ny zava-misy.
Toky R
Nandritra ny fitokanana biraom-pokontany tao Ambatolahikisoa Fianarantsoa omaly 25 may 2023 no nilazan’ny Filoha
Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).
Mihamafy ny krizin’andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena na hiniana sarontsaronana hatrany ny hoe : tsy misy krizy politika eto aza.
Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.
Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.
Terena hividy “polo orange” ny mpiasam-panjakana ?