airtel

Politique

25-janv-2023

Politique

Politika avo lenta Mody hamboly korontana hirosoana amin’ny tetezamita ?

Sample post image

Na vao ny herinandro lasa teo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian no nilaza sy nanome antoka fa tsy maintsy hisy fifidianana amin’ity taona 2023 ity.

25-janv-2023

Misy ihany koa anefa ny ketrika politika hafa tsy hirosoana amin’izany any ambadika any. Mety izay ny fijery sy eritreritry ny Praiminisitra manokana, fa miovaova sy mifamahofaho be ihany ny politika avo lenta eto. Tena mandeha ny kajikajy avo lenta any ambadika any, ary mety hiovaova isan’andro io. Tao anatin’ny andro vitsy, ohatra, nalaza ny fijoroan’ny vovonana politika izay voalaza fa hitondra ny anarana LERA (Leo Rajoelina) ary re fa hanao fanambarana goavana tsy ho ela. Mpanao politika azo sokajiana ho efa galifantsy no voalaza fa mandrafitra an’io, nisy ny niara-dia tamin’i Andry Rajoelina niainga tany amin’ny 2009, saingy manohitra azy ankehitriny. Nisy ny niara-dia na mbola miara-dia amin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Misy Lehiben’Antoko politika maromaro, misy minisitra maromaro teo aloha, misy depiote am-perin’asa,… Mavesatra ny ho fiampangan’io ny Fitondrana, toy ny tsy fahombiazan’ny politikam-pitantanana, ny fitotonganan’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka,… Hanabaribary fa tsy voafehy ary iniana volena mihintsy ny krizy amin’ireo andrim-panjakana, mijaly ny vahoaka Malagasy ary latsaka an-katerena ny Firenena iray manontolo, ka mba hiadiana amin’ny tsy rariny sy ny fangirifiriana mahazo ny vahoaka Malagasy sy ho fisorohana ny krizy rehetra izay mety hisy na mialoha, na mandritra, na aorian’ny fifidianana no ambara fa antom-pijoroany, raha ny loharanom-baovao. Hijoro haka fitondrana sa hijoro tahaka ny ahoana? Etsy andaniny, misy ny loharanom-baovao azo, fa tena misy fiketrehana tetezamita any ambadika any ary ahiana ho ny Fitondrana ihany no ao ambadik’io. Hatreto, tsy manana herijika firy ny ho lany ny Fitondrana Rajoelina. Na izy ireo aza heverina sy inoana fa tsy manana antoka ho tafavoaka amin’ny fifidianana amin’izao toe-draharaha izao. Mety hisy ny fanambaran-kery hanilihana an-dRajoelina raha ho avy ny fifidianana, ary ho sarotsarotra ny haneken’ny rehetra teti-panorona tsy mazava hitazomam-pahefana tahaka ny ketrika hala-bato ohatra. Ny fidirana amin’ny tetezamita no mety ho teti-panorona vaovao. Hanomana izany, hoy ny loharanom-baovao no anisan’ny mampivezivezy ny tompon’andraikitra ambony tamin’ny tetezamita lasa mivezivezy be eto an-toerana fa tsy tena mijanona any amin’ny toerana nametrahana azy any ivelany. Mety hiseho amin’ny endrika fambolena korontana miendrika fanonganam-panjakana hidirana io, ary hiroso amin’ny tetezamita rehefa raikitra ny savorovoro. Ny ampitso no hamaritra azy satria miovaova ny politika ary tena avo lenta.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap