Niresaka momba ireo tanjona iombonan’I Etazonia sy Madagasikara, toy ny mba hisian'ny fifidianana malalaka sy madio ary mangaraharaha amin'ny faran'ity taona ity. Fotoana nanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa efa misy eo amin'ny firenena roa tonta ihany koa ny omaly. Notsiahivina fa tamin'ny taon-dasa ohatra, dia maintimolalin'ny programa fifanakalozana tohanan'ny governemanta amerikana mianadahy no nandray anjara tamina fihaonana momba ny demokrasia sy fahaiza-mitantana tany Washington D.C, ary niara-nanohana izany ny masoivoho amerikana sy ny antenimierampirenena. Nanamafy hatrany ny fiaraha-miasan'ny rafitra roa tonta izany indrindra amin'ny fampiroboroboana ny demokrasia eto Madagasikara sy ny fametrahana fifandraisana eo amin'ny Antenimierampirenena Malagasy amin'ny Kaongresy Amerikana, hoy ny fanamarihana.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,