airtel

Politique

01-juin-2023

Politique

Politika sy fiainam-pirenena Efa arangaranga ny fampiasan-kery

Sample post image

Ny antenimierampirenena notapenam-bava tamin’ny fahefany araka ny lalàna rehefa nanao fitsipaham-pitokisana noho ny tsy fahombiazan’ny governemanta,

01-juin-2023

izay maneho hevitra an-dalambe rahonana na samborina tahaka ny niseho omaly, ny mety ho mpifandrina politika amin’ny fifidianana ilàna sotasota na darohana lakrimozenina,… Mbola Repoblika demokratika ve no ilazana an’I Madagasikara? Heverina fa efa fitezana ny saim-bahoaka amin’ny tetika hitazonana ny fahefana amin’ny fomba rehetra ny sary miseho. Tany amin’ny fifidianana 2018 no efa adihevitra goavana ny ahiahy fa nisy fampidirana fitaovam-piadiana mialohan’ny fotoana. Tamin’izany aza efa ireny ny sary niseho mainka fa amin’izao efa an-tànana izao ny fahefana ? Toa manampin-tsofina amin’ny antso hisian’ny fametrahana fitsipi-dalao politika hisorohana ny korontana ara-pifidianana rahateo ny fitondrana, raha tarafina amin’ny filazana fa tsy ilaina ny fanovana ny làlam-pifidianana, ary toa tsy miombon-kevitra loatra amin’ilay fametrahana «charte de bonne conduite »,… Izay mihetsika ampitahorina na samborina sy vesarana heloka ho manohintohina ny filaminana anatin’ny firenena dia mipirina any am-ponja. Atao lasitra iray ho fanonganam-panjakana ny hetsika an-dalambe rehetra na mety ho fanehoan-kevitra tsotra sy fampanenoana lakolosy aza fa betsaka ny zavatra marary ny vahoaka. Raha miverina amin’ny tantara anefa, tompony fa tsy mpindrana amin’ny resaka fidinana an-dalambe sy fanonganam-panjakana anefa izany TGV-MAPAR notarihin’Atoa Andry Rajoelina izany fony teo amin’ny fanoherana. Azo antoka 100% fa efa niafara tamin’ny fanonganana raha izy ireo no mpanohitra amin’izao endri-pitantanana sy zava-misy eto amin’ny firenena izao. Hainy ny nitanisa sy nitsingoloka ireo nataon’ny Fitondrana teo aloha izay naongany, fa ny azy tsy maintsy ekena ho mety na fahapotehana firenena tsy roa aman-tany aza no miharihary: krizy ara-toekerana, fitomboan’ny mahantra fadiranovana, olana ara-tsosialy zavon-tany, kolikoly avo lenta sy fahalovana mandrakotra ny sehatra rehetra,… Niongana ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny 2009 noho ny fanonganam-panjakana niainga teny an-dalambe. Noventesina fa mpanao didy jadona, nolazaina fa mpanitsakitsaka demokrasia, mpanao ampihimamba ara-toekarena, nitsikombakomba sy nivarotra tanindrazana tamin’ny vahiny, ny volam-panjakana ratsy tantana,… Nalaina tamin’ny basy aman-tafondro ny fahefana, dia nandeha ny tetezamita, izay niaraha-nahita ny vokany fa fahapotehana tsy roa aman-tany. Tonga indray ny Fanjakana HVM, izay nohozongozonina sy naongana rehefa tsy nanaiky natao saribakoly. Nahita faisina tamin’ny fanonganam-panjakana 2018, izay làlana nizotra tamin’ny faharesena tamin’ny fifidianana. Inona no zava-doza ara-pitantana tsy miseho ankehitriny mba tsy hilazana fa nitombo avo folo na roapolo heny amin’ny teo aloha? Manampy trotraka fihemorana ara-toekarena sy fahantrana lalina ateraky ny tsy fahaiza-mitantana. Tsy fivoizana fanonganana no tiana hahatongavana eto fa mampametra-panontaniana ihany hoe: rehefa ny hafa no manao ny tsy mety dia mila haongana fa rehefa ny volomboasary dia mila leferina satria Andriamanitra kely na Mpanjakan’I Madagasikara no mitondra? Mbola azo lazaina ho tany demokratika ve I Madagasikara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap