Heverina ho varavarana misokatra manamafy ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, toekarena, sosialy, diplaomasia io. Mety ambara fa Filoha lany tamin’ny ara-dalàna izay ho Filoha lany eo, fa tsy lany ara-drariny. Efa mazava ny sary, raha tarafina amin’ny fitanilana, fandikan-dalàna,… Nambara fa ezahina tsy hihoatra ny 24 novambra ny famoahana ny valiny vonjimaika. Betsaka ny lesoka nialoha sy nandritra ny fifidianana, ary ekena fa tsy misy ny tonga lafatra 100% kanefa azo lazaina, fa io no azo sokajiana ho fifidianana ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Herivelona maro teto amin’ny firenena no nanatsikafona ny zavatra tsy mety : antoko politika, firaisamonim-pirenena, sendika, raiamandreny am-panahy, fiangonana, filohana andrim-panjakana,... Betsaka ny endrika fandikan-dalàna niniana nikipiana : fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny mpiasam-panjakana, fampiasana mivantana na ankolaka ny volam-panjakana fananam-panjakana, mpiasam-panjakana ho an’ny kandidan’ny mpitondra. Taratr’ireny ny fanerena ny mpampianatra hanohana sy mpiasam-panjakana sasany hanompo kandida, ny fampiasana fiaram-panjakana izay navadika ho takelaka mainty izay notsikafonin’ny Firaisamonim-pirenena, ny fanangonana kara-pifidianana sy fampanantenana zavatra rehefa lany ny kandida iray izay narahina fanaovan-tsonia izay nahiana ho niaraka tamin’ny bileta nomarihina mialohan’ny fotoana raha ny fanambarana nataon’ny Firaisamonim-pirenena tahaka ny KMF/CNOE nialohan’ny fifidianana. Ny fandrafetana ny lisi-pifidianana, dia fanavaozana manontolo no natao, izany hoe : fandrafetana vaovao, kanefa misy olona efa maty tamin’ny 2015 mbola ao anaty listra. «Voizina foana ny hoe : efa notsirihan’ny mpanara-maso tahaka ny OIF, ka ny rindram-baiko no notsirihana ary izay ampidirina ao ihany no avoakany hoe : mpifidy matoatoa no ampidirinao ao dia matoatoa no mivoaka eo », hoy ny kandida Jean Jacques Ratsietison ny talata nialohan’ny fifidianana. Io kandida io izay nanamarika fa hatrany amin’ny 4 tapitrisa ny mpifidy tsy tafiditra. Raha ampitahaina ny tamin’ny 2018, latsaka 3 hetsy teo ho eo ny mpifidy ho an’Antananarivo. Aty amin’ny faritra heverina fa mahara-baovao sy manaraka ny raharaham-pirenena ary misitraka kokoa ny teknolojia no isehoan’izany ka asa hoe : tena lojika ve ? Ireny niparitaka ireny avy eo ny fisiana lesoka, toy ny kara-pifidianana « doublon»,… Niharihary tamin’ny zotram-pifidianana omaly ny maha fifidianana nandeha ila azy.
LANY AMIN’NY TSY ARA-DRARINY
Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny hoe : ny kandida maro an’isa 10 amin’ny 13 no nanome toromarika ofisialy ny mpanara-dia azy mba tsy hifidy mba tsy hanomezana rariny ilay fifidianana nosokajian’izy ireo ho maloto sy tsy azo antoka. Izay Filoha lany amin’io fifidianana io izany, dia filoha tsy lany ara-drariny, tsy manana ny tena fanohanana sy fankasitrahan’ny vahoaka na « adhésion populaire», izay vao mainka hanamafy ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika eto.
Toky R
Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.
Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa
Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso
Tonga amin’ilay soratra masina hoe «Izay ataonareo amin’ireny madiniky ny Tompo
Tsy misy ary tsy hisy Firenena handroso ao anatin’ny tsy fanajana lalàna sy Fanjakana tsy tan-dalàna izany.
Notontosaina omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely,