airtel

Politique

05-juin-2023

Politique

Politika sy fiainam-pirenena Notezaina hanantena fahagagana lava ny Malagasy

Sample post image

Fanontaniana mipetraka foana ho an’ny firenena Malagasy ny hoe: tsy misy ady an-trano, tsy misy loza voajanahary goavana be, tsy misy krizy goavana,…

05-juin-2023

kanefa nahoana no mihemotra hatrany sy miha fadiranovana? Politika mifantoka amin'ny olona sy ny antoko foana no nandaniantsika andro teto. Miresaka fampandrosoana firenena izany anefa mila fitantanana faran'izay matotra, fandaharan’asa miaraka amin’ny tarehimarika, tetiandro, loharanom-bola, ekipa hiara-hanatanteraka, mpiara-miombon’antoka mazava,... Mila paikady mahomby amin'ny sehatra rehetra fa tsy hoe : mitavandra fanampiana fotsiny. Tetibolam-panjakana avy moa tsy hananana fa iandrasana fanampiana.
TSY PROGRAMAN’ASA FA ENTAM-BAROTRA POLITIKA
Raha tarafina amin’ny zava-misy ankehitriny, tsy misy sori-dàlana mazava hitondrana ny firenena. Natao tahaka ny entam-barotra politika ny mpanao politika ka tsy programa sy ny paikady mazava no mibaiko azy fa ny tsangan’olona. Ny IEM nandresen-dahatra vahoaka toa nitsefotra, raha ny zava-misy 5 taona aty aoriana. Ohatra iray, ny Tanamasoandro izay nambara fa hitazona ny 45% amin’ny harin-karem-pirenena ? Nandeha avy eo ny Plan Marshall niresahana 1043 miliara Ar tao anatin’ny krizin’ny covid-19 nolazaina fa hahavitana zavatra goavana eto amin’ny firenena fa mby aiza? Tsy marin-toerana ny fandaharan’asa mazava hitantana sy hampandrosoana firenena, fa toa miainga amin’ny haingam-panahy toy ny hoe : malaza sy manintona olona ny baolina kitra dia taitaitra handeha hanamboatra kianja manara-penitra eraky ny tanàna, avy eo anefa vao mainka mitotongana ilay taranja. Tsy tena voafehy ny laharam-pahamehana, tsy natao hijerena ny firenena fa hanasongadinan-tena ara-politika, mandeha amin’ny kisendrasendra na izay maharevorevo. Raha nolazaina fa tsy mila mitavandra famatsiam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika fony propagandy 2018, dia rendrika tanteraka izao, miandrandra mafy ny fanampiana ara-bola FEC (Facilité Elargie de Crédit) avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena 32 tapitrisa dolara, mitavandra tohana ara-bola na “aide budgétaire” 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, mitalaho isaky mandeha ny tohana momba ny tontolo iainana 100 tapitrisa dolara,… Isika tsy manam-bola kanefa mbola tsy tena mahay mamorona harena miainga amin’ireo vola trosaina, tsy mahay mifehy ireo harena eto ka lasa malaza tsy hihinana, tsy atokisan’ny olona noho ny tsy fahaiza-mitantana, kolikoly,… hany ka pitiny kely sy fangorahana no tonga aty. Mba azontsika an-tsaina ve ohatra fa efa manodidina 145 miliara dolara ny vola natonton’ny Eoropeanina sy ny Amerikanina tamin’I Ukraine?
POIZINA NY FANINDRAHINDRANA TSANGAN’OLONA
Manodidina ny 300 ny isan’ny antoko politika eto Madagasikara, saingy toa be tsy handraofana. Raha raisina amin’izany isa izany, tokony hanana tombondahiny amin’ny resaka foto-kevitra sy fahaiza-mandinika, mandalina ara-politika sy mamakafaka ny raharaham-pirenena ny maro an’isa fa tsy ho mpihinana am-bolony sy atao tohatra fiakarana lava amin’ny propagandy. Notezaina amin’ny fanindrahindra tsangan’olona na “Culte de personnalité” ny fanaovana politika eto ka na mety na tsy mety ataon’ny olona iray dia marina foana. Ny vola no mitondra azy, ka izay antoko manam-bola no malaza, izay mahatolotolotra, mahavita mizara vola, mizara t-shirt, mizara zavatra, mitondra artista maro, manana angidim-by, fahitalavitra, gazety,… no lany, ary Filoham-panjakana teo aloha Atoa Norbert Lala Ratsirahonana no efa nanamafy an’io niainga tamin’ny zavatra niainany tamin’ny politika hoe: aza mirotsaka rehefa tsy manam-bola fa mandrebireby vahoaka fotsiny. Inona no nandanian’ny kandida iray 190 tapitrisa dolara ohatra amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 raha tsy misy tombony andrandrainy? Amin’ity 2023 ity izany mety efa manodidina ny 500 tapitrisa dolara miakatra! Na tsy misy fampandrosoana vanona aza, na nihemotra aza ny toekarena, na nitombo efa ho 90% aza ny tahan’ny mahantra,… lasa tsy manana ahiahy ny mpitondra iray, fa miantehitra amin’ny hoe: mizara zavatra, ampimbotomboina noho ny teo aloha dia milamina,… Hopotehina amin’izany foana ve ny firenena?
TSY MISY FAHAGAGANA
Rehefa reraky ny sangodim-panina politika sy ny fiainana miha sarotra isan’andro , dia lasa maro ny Malagasy mora ambakaina ka izay rehetra mahay mandaha-teny sy mikabary dia tahaka ny hoe « Mesia »hitondra fahagagana izany ka hanavotra ny firenena. Tsy vitan’ny kabary anefa ny ady amin’ny fahantrana fa mitaky asa sy paikady matotra isaky ny seha-pihariana ; ilaina ny adihevitra ambony latabatra, ny fanoratana boky, ny famelabelaran-kevitra, ny adihevitra fa mila miasa ihany koa fa tsy variana amin’ny kitolotolotra tsy maharitra herinandro akory. Raha mbola tsy vita ny mamoky tena, izany hoe mahavita tena ara-tsakafo dia resabe fotsiny ny ambiny, io no fanombohana azy, afaka miasa sy mamokatra tsara ny vahoaka voky. Dia mitohy sy miitatra ny ezaka, tsy misy fahagagana tampoka izany fa tsy maintsy mandrafitra, mandamina, miasa izay vao mioty vokatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap