airtel

Politique

07-juin-2023

Politique

Politika sy fiainan’antoko Hanapa-kevitra momba ny fifidianana ny TIM

Sample post image

Nanamafy ny Antoko TIM omaly tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, fa hotanterahina ny 01 jolay ho avy izao ny Kongresy nasionaliny, ary efa miomana fatratra ny amin’izany amin’izao fotoana izao.

07-juin-2023

19 amin’ny faritra 23 no efa nahavitana ny kongresim-paritra, ary hatao eto Antananarivo amin’ny 01 jolay ho avy izao kosa ny Kongresy nasionaly, ka ety amin’ny Magro Tanjombato no hanatanterahana izany. Ao anatin’io no ahafahan’ny antoko mandray fanapahan-kevitra indrindra fa ny mikasika ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena, ny vinan’ny antoko, ny mety ho fanatsarana ny rafitry ny antoko raha misy tokony hatsaraina,… », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro. Araka ny fandaminan’io antoko io, dia ho voasolo tena avokoa ny Faritra 22 amin’ny maha kongresy nasionaly azy. Ho an’ny eto Analamanga manokana, dia ho avy avokoa ireo olom-boafidy izay lany tamin’ny lokon’ny TIM. Ny olona rehetra hiditra ao dia tsy maintsy manana « badge » avokoa, izay hozaraina manomboka ny 12 jona izao, ka ho an’ireo distrika anatin’ny Faritra Analamanga sy ireo distrika 6 eto Antananarivo dia any amin’ireo depiote sy DISTIM no ahafahana maka izany, hoy ny toromarika. Hisy ihany koa ao Bel’Air sy Anosipatrana ho an’ireo te hanatrika. Hoavin’ny Antoko sy ny firenena no hodinihina ao anatin’izany, ka manentana ireo mpikatroka hiomana ny amin’izany, hoy hatrany ny eo anivon’ny TIM. Momba ny raharaham-pirenena kosa, nilaza ny TIM fa tsy manam-piniavana hanao fifidianana madio ny Fitondrana. “Inona no antony tsy hamoahany ny daty raha tena madio sy vonona hanao fifidianana madio. 09 novambra ny fifidianana raha ny vinan’ny CENI, tapitra rahateo ny fe-potoana iasan’ny Filoham-pirenena, ny TIM manentana ny olona hatrany hisoratra anarana sy hanara-maso. Avoahy ny daty sy ny didim-panjakana hananan’ny olom-pirenena antoka fa hisy fifidianana satria tsy voatery hiandry 90 andro raha tena manam-piniavana”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

daholo ny mpitondra teto hatramin’izay »

Card image cap
15-déc-2025

Mitondra sosokevitra hanatsaràna ny

Card image cap
15-déc-2025

Hanao fihaonambe voalohany

Card image cap
15-déc-2025

Raha nilaza ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny

Card image cap
15-déc-2025

Mila ezaka amin’ny fangaraharahana sy fanaporofoana ny fanovàna…

Card image cap
15-déc-2025

Nidina ifotony nanao fakan-kevitra mikasika

Card image cap