eo amin’ny sehatry ny politika sy ny fifidianana. Samy manana ny lalany, samy manana ny fijeriny, samy manana ny kajiny,… Ankilany, ny Sektretera Nasionalin’ny Arema Rtoa Annick Ratsiraka izay zanaka faravavin’ny Amiraly Ratsiraka, dia kandida ho Filoham-pirenena amin’ny alalan’ny Arema. Raha tsy mirotsaka ny olona tsara dia ratsy no hahazo laka, hoy izy roa herinandro latsaka izay. Efa nametraka ny taratasy firotsahan-kofidiany ny 26 aogositra lasa teo ny tenany, ary milaza io antoko io fa efa nitety distrika 92 nanerana ny Nosy, ary mitohy izany. Nanambara kosa tetsy andaniny Rtoa Sophie Ratsiraka raha namory ny RPR (Rassemblement des Partisans Ratsirakisme) fa diso kajy ny antoko Arema eo anatrehan’ny filatsahan-dRtoa Annick Ratsiraka. Nambarany fa mbola marefo taorian’ny nialana tamin’ny fitondrana ny 2002, ka mbola tsy manana herijika, ka tsy mbola fotoanan’izany izao, fa mba any amin’ny ben’ny tanàna sy solombavambahoaka. “Raha ny fandatsahana ilay zandriko vavy ao amin’ny Arema, izaho mahita ialako tsiny ialako fondro, fa diso kajy satria mbola marofy, mbola ao anatin’ny aretina isika tao anatin’ny 20 taona nahaverezan’ny fitondrana tamin’ny 2022, dia androany ve isika dia hitonon-tena hoe: andao hanao hazakazaka “marathon” 1000m, tsia, tsy “possible”!”, hoy I Sophie Ratsiraka. Hoentina an-katerena ve ilay anarana? Hoentina an-katerena ilay Arema, izaho tsy manaiky, izaho tsy miditra amin’izany! Azoko ilay hoe: andatsaka kandida, handatsaka olona hofidiana fa ilay filoham-pirenena dia lasa aloha loatra. Mbola tsy zakantsika izany mirotsaka izany, raha ny tenako manokana dia manohana ny firotsahan’ny Filoha Rajoelina, hoyizy. Efa nisy ny dinika nifanaovanay tamin’izany, fa mba tsy haha lasa adin’ny mpianakavy dia nangina aho, fa kosa hitanareo, ny Filoha Rajoelina dia eo am-pelantanany ny fitantanan-draharaham-panjakana, eo ihany koa ny fikirakirana vola, dia nidangana be. Tany aloha 50 tapitrisa Ar no lasa 200 tapitrisa Ar, ka ny fananantsika an’io vola io aza mbola lavitr’ezaka be. Hatreto aloha, raha ny tenako manokana, dia manohana ny filatsahan’ny Filoha Rajoelina”, hoy ity Minisitry ny asa tànana ity. Ankoatra azy roa vavy mpiray tampo ireo, dia mbola ao anatin’ny Fianankaviana Ratsiraka ihany koa Atoa Roland Ratsiraka izay zana-drahalahin’ny Amiraly Ratsiraka. Izy mianaka ihany koa dia efa samy kandida tamin’ny taona 2018, ary efa nanambara tamin’ny 13 aogositra lasa teo, fa hirotsaka amin’ity 2023 ity. Fanintelony izany izao ny firotsahana ho azy taorian’ny 2006, 2013, ary amin’ity raha tsy misy ny fiovana. Politika tokoa no atao, ka samy malalaka ny rehetra, tsy voatery hitovy hevitra na ny mpiray tampo sy ny iray fianankaviana aza. Mifanamontsana ny samy Ratsiraka, hoy kosa ny vazivazin’ny mpanaraka politika!
Toky R
Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.
Averiko ihany, hoy ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Alexandre Georget,
Nahitsy ny kandida Tahina Razafinjoelina naneho omaly tamin’ny tafa mivantana tamin’ny haino aman-jery
Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.
Andro vitsy mialohan’ny fifidianana, mbola mametraka ahiahy goavana ny raharaha fanabontsinana
Manohana ary hampandany an’i Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidinana ben’ny tanàna ho tanterahana ny 11 desambra 2024