Io niditra amin’ny fifanatrehana io ny depiote sy ny governemanta taorian’ny fihaonana tsy tanteraka tamin’ny volana desambra izay nisian’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta nataon’ny depiote 105. Natsefotra teny an-dalana, tsy tonga hatramin’ny farany, nidiran’ny Filoham-pirenena an-tsehatra, hany ka toa tsy afa-nanao ny asany antenimierampirenena. Endrika iray nanamafy ny krizy iny, ary ny sary niseho teny Tsimbazaza afak’omaly, dia toa midika zavatra goavana ara-politika ny tsy naha teo an-dRtoa Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimierampirenena. Isan’ireo niazo an’i Mahé Seychelles niatrika ny fivorian’ny Komity mpanatanteraky ny AP-COI (Association des Parlementaires de la Commission de l’Océan Indien). Raha ampitahaina, izay ve no lehibe sy goavana kokoa noho ny fanokafana ny fifanatrehan’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka ? Fifandrifian-javatra ihany ve ? Mbola adihevitra hafa ny tsy nisian’ny adihevitra taorian’ny tatitra na voalazan’ny lalàmpanorenana aza, fa noboriboriana amin’ny hoe : amin’ny andro manaraka. Ahiana hitsefotra aza io aoriana hoe : ataovy an-tsoratra !? Momba ny toe-draharaha politika sy raharaham-pifidianana, iny nambaran’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny alarobia 24 may 2023 teo iny, fa tsy manana eritreritra hanova ny lalàm-pifidianana ny governemanta, ka nilazany fa manahirana ny fanovana izany lalàm-pifidianana izany satria raha hanova izany isika, dia hanova zavatra maro. Tsy mahasoa antsika izany raha volana vitsy mialohan’ny fifidianana no hanaovana izany fanovana samihafa izany, hoy ny Praiminisitra. Nialoha an’io anefa, ny 16 may 2023, dia noresahana tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny governemanta ny fijerena ny tolo-kevitra momba ny lalàna fehizoro n°002-2023/PL, manova sy mameno ny voalaza sasany ao anatin’ny lalàna fehizoro n°2018-008 mifehy n fifidianana sy fitsapankevi-bahoaka. Herinandro mahery taorian’io, dia toa nifanipaka tanteraka tanteraka tamin’izany ny zava-niseho, raha tarafina amin’ny fanambaran’ny Praiminisitra. Ahoana izany ilay hoe : hampifidy ny diaspora sy ireo voafonja mbola tsy voaheloka ?
RATSY TOERANA NY GOVERNEMANTA RAHA…
Na samy milaza ho tsy mila tetezamita aza ny mpitondra sy ny mpanohitra, nifamahofaho teo ny fikatsahana hisian’izany nataon’ny mpanao politika samihafa, ary nisy mihitsy aza ny nitonona fa namolavola izany ka anisany ilay hoe : GENIE (Gouvernement d’Entente National Intermédiaire des Elections). Tao ny nanolotra soso-kevitra hafa. Ny nitovitovizan’ireny, dia ny resaka fandravana ny governemanta misy ankehitriny, ka hametrahana governemanta teknisianina, governemantan’ny marimaritra iraisana,… fa tazonina kosa ireo andrim-panjakana nipetraka tamin’ny alalan’ny fifidianana, toy ny Filoham-pirenena, ny antenimiera roa tonta,… Eo ny hoe : mety hampihena ny herijikan’ny Fitondrana ankehitriny ny fikitihana lalàna sy rafitra, fa eo ihany koa ny mety ho ahiahy hoe : ny governemanta mety hatao sorona fa ny andrim-panjakana hafa hotazonina ka aleo handeha ny fifidianana dia izay alehany any hidonany ?
Toky R
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny