raha ny tatitra nataon’ny manam-pahaizana ara-toekarena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’izany. Niakatra ho 81% ny tahan’ny fahantrana raha 77,4 ny taona 2019. Nilaza mihitsy i Marc Stocker izay mpandinika toekarena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, fa mila 10 taona eo ho eo ny fanarenana ny fatiantoka tamin’ny fidiram-bola 2020-2022. Teo no nivoaka ilay hoe: afaka 75 taona vao hitovy amin’ny any Rwanda ny fari-piainana eto raha izao tahan’ny fandrosoan’ny toekarena izao. Sedra lehibe ahafaha-mandrefy ny fahaiza-mitantan’ny Fanjakana Rajoelina iny fandalovan’ny valanaretina iny, ahafaha-mamaritra hoe: hatraiza ny fahaiza-mamaha olana eo anatrehan’ny krizy? Raha toa ka nametraka drafi-piarenana na “plan de relance” ny firenena maro, ny mpitondra niezaka nanadio tena sy nitanisa lava ny coronavirus, ady any Ukraine, loza voajanahary,… Toa nohararaotin’ny fitondrana sy ny olony aza ny hamehana sy ny krizy, ka tao anatin’iny no isan’ny nahenoana fitantanana tsy mangarahara indrindra. Teo ny fihibohana sy ny sehatra ara-toekarena maro nikatso, saingy tsy tena nisy fijeren’ny Fanjakana izany, kanefa dia ratsy tantana tanteraka ny fanampiana avy any ivelany an-jatony tapitrisa dolara maro. Tao anatin’ny vanim-potoanan’ny covid-19 no niventesana zavatra maro, toy ny hoe: mamboleha artemesia fa be vidy noho ny vary, isika no hanavotra izao tontolo izao,… Efa tamin’izany no niresahana “digitalisation” 10 andro, hahazo solosaina ny fokontany tsirairay, plan marshall 1053 miliara Ar, autoroute, pipeline, fly over, orinasa Gasycar,… Tahaka ny mbola propagandy hatrany no niainana, ary aty amin’ny tapa-taona farany tsy hialana amin’ny toerana no mikofokofoka mizarazara zavatra etsy sy eroa. Zary tena lasa manao ny tsy fanaony sy ny tsy asany mihitsy ilay Filoham-pirenena mba hanehoana fa miasa sy akaiky ny vahoaka. Tsy efa izany ve no natao hatramin’izay fa tsy namokatra e? Efa tsy misy hevitra intsony ny resaka fanarenana ara-toekarena ka aleo lalaovina amin’ny politikan’ny vonjitavanandro sisa ny Malagasy. Ny olona miha miroso ihany, fa isika variana amin’ny fizarana hani-masaka ary tena azo atao mihitsy aza hoe mihemotra, rehefa mahita hoe eto amin’ny renivohitry ny firenena, andro atoandro be izao no misy olona mandroaka omby. Ny fako misavovona tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao, ny lalana simba, dia amboarina isan-taona…Izany ve ho fandrosoana ? Raha izao fomba fiasa izao ve tsy hitombina ihany ilay afaka 75 taona vao hitovy amin’I Rwanda ary sanatria hiakatra 99,9% tokoa ny tahan’ny mahantra fadiranovana araka ny vinavinan’ny sehatra iraisam-pirenena?
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,