airtel

Politique

04-juin-2024

PR JOSEPH

« Aoka tsy hiandany amin’ny mpangala-bato ny CENI sy ny HCC »

Sample post image

Ao anatin ' ny fiandrasana ny voka - pifidianana solombavambahoaka isika eto Madagasikara ankehitriny,

04-juin-2024

izay voalaza fa hivoaka amin 'ny datin’ny 08 Jona na 10 Jona ho avy izao ny vokatra vonjimaika . Tsy nitazam-potsiny ny Pr Joseph manoloana izany fa manao antso avo amin’ny CENI sy ny HCC mba tena hizotra amin ' ny fahamarinana ka tsy hiandany amin 'ny mpangala – bato izy ireo. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena, hoy ny Ohabolana : 14 – 34 raha ny nambarany. Aza adino hoy izy fa ny tsy fahamarinana tompoko dia faka mangidy mitsimoka hampikorontana araka izay voasoratra ao amin 'ny Hebreo 12 - 15 ; koa raha avela hanjaka eto ny tsy fahamarinana dia tsy hisy firenena handroso izany mihitsy. Ary aoka ho fantatsika, fa matoa ireo FFKM izay olom - boahositr 'Andriamanitra no niala tsy nandray anjara tamin 'ny fanaraha - maso io fifidianana ho solombavambahoaka io, dia noho io fanjakan 'ny tsy fahamarinana sy ny fahalovana io, izay heverina fa Andriamanitra mihitsy no nanala azy ireo tsy handray anjara tamin 'ny fanaraha - maso izany . Manoloana izany dia handeha isika tena handeha amin 'ny fahamarinana, fa tsy misehoseho foana ireny fahamaizan 'ny birao misahana ny fifidianana tao Tsihombe sy ny SRMV tao Tsiroanomandidy ireny. Namaranan’ny Pr Joseph ny teniny ny hoe : Koa samia mandinika isika, fa hoy ny tenin ' i Jesosy araka izay voasoratra ao amin 'ny Apok : 22 11 - 12 manao hoe : Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy ; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap