airtel

Politique

25-avril-2025

PR JOSEPH

Hafahafa ilay mikaton-trano nataon’ny filoha roalahy

Sample post image

Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron

25-avril-2025

dia naneho ny heviny mikasika ilay resaka mikaton - trano nataon 'ny roa tonta, izay tsy azon ' iza na iza natrehina ny andron 'ny Alarobia 23 Aprily 2025 lasa teo ny Pastera Joseph. Tena mampiheritreritra ilay zava – misy hoy izy satria raha tsiahivina ny tantara, araka ny re dia ny 23 Aprily 1895 no niditra an-keriny teto Madagasikara ny tafika frantsay tao amin 'ny moron - tsirak ' i Mahajanga, izay fotoana voalohany nanjanahan 'ny frantsay an ' i Madagasikara ! Koa raha dinihina iny fivorian - dRajoelina sy Emmanuel Macron nikaton - trano tsy azo natrehana iny hoy hatrany izy dia nisy fifanarahana manokana nataon 'ny filoha roa tonta hanamafisana indray ny fanjanahan ' ny frantsay an ' i Madagasikara tao amin 'ny mangingiana tao. Ekena fa tsy nisy nahita izay nataon - dRajoelina sy Emmanuel Macron isika, fa kosa hinoana sy heverina fa Andriamanitra an-tampon' ny loha no nahita ny nataon ' izy ireo tao, araka ny teny izay voasoratra ao amin 'ny (Daniela, 9 ; 27) manao hoe : ary hanorina fanekena ho herinandro amin 'ny maro izy sy hampitsahatra ny fanatitra alatsa - drà sy ny fanatitra hafa hatramin 'ny an-tsasaky ny herinandro, ary amin 'ny elatry ny fahavetavetana no hiavian 'ny mpandrava hatramin 'ny fahafonganana voatendry izay ahidina amin 'ny mpandrava. Eo anatrehan’izany hoy hatrany Pastera Joseph dia, tokony handinika ny Filoha Andry Rajoelina, sao satria ho avy aminy ny fahatezerana lehibe araka ny tenin ' i Jesosy izay voasoratra ao amin 'ny (Matio, 24 ; 48 - 51) manao hoe : fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe : Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin 'ny mpimamo, dia ho avy ny tompon ' izany manompo izany amin 'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin 'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahany roa izy ka homeny anjara any amin 'ny mpihatsaravelatsihy ; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha - nify.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny Pastera Joseph mpandinika fiaraha-monina sady mpino !
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap