tsara amin’izay rehetra mahefa sy afaka manapa-kevitra tsara ny amin’izany ny momba io “colisée” io. Fanitaran-drasaka ihany koa ny fanasoketana fa handrodana ny Kianja Barea, fa ny hamerina ny anarany ho “Mahamasina” no nambara fa tsy ilay zavatra efa vita tao no horavaina”, hoy ny Pro-Siteny Analamanga. Talohan’ny nanambarany ofisialy dia naneho fa manaja ny soatoavina sy ny hasin’ny tanàna, nihaona tamin’ny Antenimieran’ny Andriana Merina, ka fiangavian’ireo dia ny handravana an’io raha lany satria tsy manaja ny soatoavina ny Colisée Romanina, hoy ny fanazavana. Nampahafantari na ofisialy ny sabotsy teo tetsy amin’ny Résidence Tournesol Andoharanofotsy moa ny fisian’ny Pro-Siteny ao anatin’ny faritra Analamanga, izay manohana an’I Siteny Randrianasoloniaiko, nentina nanao fitsinjaran’asa isaky ny distrika sy Boriborintany. Atoa Solofoniaina Rafiringa Pierre no mandrindra izany, ka feno avokoa ny distrika 13 anatin’ny Faritra Analamanga, hoy izy. Asa tsy maintsy atao ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanentanana ny olona, fa alohan’izay dia ny fanomanana ny sehatra isam-potony sy fampahafantarana ny kandida sy ny programan’asany, ary nambaran’ireo mpitarika fa mitsangana ara-dalàna, ary mipetraka avokoa ny rafitra rehetra, hoentina mampandany ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko. “Betsaka ny mpanely tsaho sy mpanaratsy, ary milaza fa tsy tia an’Antananarivo, ka tsy mitombona izany,… Hatramin’izay 13 fake no nisy, fa amin’izao efa tonga ny 13 vrai”, hoy hatrany ny Mpandrindra ny Pro-Siteny Analamalanga Solofoniaina Rafiringa Pierre.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,