airtel

Politique

13-mai-2024

Propagandy

Tazanim-potsiny ny fandikan-dalàna sy tsy fanarahan-dalàna

Sample post image

Mety sa tsy mety, hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao? Fifidianana solombavabahoaka

13-mai-2024

dia fitafy misy sarin'ilay filoham-pirenena amin'izao no hampisalorana ireo mpanao propagandy. Fifidianana solombavabahoaka dia mampiasa ny anaran'ny filoham-pirenena ireo kandida amin'ny afisy, sahala amin'ny hoe filohan'antoko ilay filoham-pirenena. Dia misy minisitra na kandida manana «call center», izany hoe, ireny orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra ireny dia ampiasainy tsara ny toro manokan'ny olompirenena hanaovany propagandiny sy ny sisa tsy voatanisa. Mety tokoa ve izany rehetra izany? Manaraka ny lalàna mifehy ny fifidianana ve? 1 andro mialohan’izao fampielezankevitra izao moa ny filohan’antoko iray no nampahatsiahy fa andrim-panjakana izany filoham-pirenena izany. Iaraha-mahita anefa io ankehitriny fa ampiasain’ny vondrona politikan’ireo kandidam-panjakana mihitsy hisalotra ny anaran’ilay vondrona izany anarana andrim-panjakana izany. Etsy ankilany dia mitaraina koa ny kandida sasany, toy izay hita teny Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo, ohatra, fa misy manala hatrany ny afisin’izy ireo. Aiza ny fampanantenana nataon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC izay nilaza fa tsy hisomonga manoloana ireo trangana tsy fanarahan-dalàna mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana? Hita ho tazanim-potsiny hatreto, araka izany ny tsy fifanajana sy tsy fanajana lalàna anaty propagandy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap