Rado Ramparaoelina, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara. Nambarany fa tolona hitondra mankany amin’ny vahaolana hanavotana ny firenena izao tanterahin’izy 11 lahy sy ny vahoaka mpanohana azy izao ka tokony hifanome tanana ny samy Malagasy hahafahana mampandresy izany. Ny fifidianana tsy maintsy hisy hoy izy na rahoviana na rahoviana saingy mety hihemotra kosa. Maro amin’ireo kandida mpifaninana mantsy hoy izy no naratra vokatry ny herisetra hataon’ireo mpitandro ny filaminana ka anisan’izany ilay lasa nitsabo tena any am-pitandranomasina izay tsy maintsy andrasana…Notsiahiviny moa fa tolona amim-pilaminana ity tanterahina ity fa tsy misy ambadika. Tsy mbola nisy hatreto hoy izy ireo magazay nitaraina fa vaky na fiara nisy nandoro fa vahoaka milamina tanam-polo maneho ny heviny no tonga manatontosa izany tolona izany mba ho tombontsoan’ny taranaka faramandimby. Mikasika ny fanonganam-panjakana nataon’ny governemanta kosa dia notsiahiviny fa ny fiverenana amin’ny ara-dalana ihany no vahaolana dia ny fanolorana ny fitantanana ny firenena ho an’ny filohan’ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa, araka ny lalana velona sy misy eto amintsika.
Pati
Legende : Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano !
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny