fahaleovantena taorian’ny tolona nataon’ireo razambentsika fahiny ka namoizan’ny ankamaroan’izy ireo ny ainy. Samy nanana ny fomba fahitany izany ny rehetra tamin’ny ankapobeny. Ho an-dRado Ramparaoelina, Ben’ny tanànan’Ampitatafika manokana dia nambarana fa mbola tsy mahaleo tena izany i Madagasikara fa kisarisary fotsiny. Ny administration iray manontolo hoy izy dia mbola amin’ny fiteny vahiny avokoa, ny mpitondra faratampony tsy Malagasy fa vazaha noho izany tsy mbola tsy tapitra ny tolona. Vahaolana arosony hahatongavana any amin’ny tena fahaleovantenan’ny firenena araka izany ny tokony hahatany tan-dalana an’i Madagasikara izay tsy hatao resabe fotsiny ka hametrahana ny sasany ho ambony lalàna raha misy ambany ny sasany. Misy ihany koa hoy izy lainga azo leferina fa misy tena famitahana tsotra izao mihitsy izay tokony hahitsy. Raha tena tia an’i Madagasikara isika hoy izy dia tokony ho tonga saina avokoa manomboka aminay mpitantana ka ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy no tena handaniana mondrokely fa tsy zavatra hafa.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany