mahatsiravina teny Ambohitsirohitra, tamin’ny taona 2009, fotoana nanafihan’ny sasany ny lapam-panjakana niasan’ny filoha teo aloha Ravalomanana ka nitaritany ny vahoaka hanitsaka ny faritra mena. Mbola betsaka ny tsy mazava tamin’iny tranga iny amin’ny ankapobeny. Tsy manadino izany ny olom-pirenena. Fanirian’izy ireo mafy noho izany ny tokony hanaovana fanadihadiana lalina mikasika iny tranga iny, voina izay nambaran’izy ireo fa nisy fiantraikany tamin’ny fiainam-pirenena akory. Nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy ireo.
Atoa Albert : Tranga tsy mety hadino teto amin’ny firenena izy ireny. Fa mikasika ireo lasibatra tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny fanampiana ny tolo-tanana hatao azy fa karohina ihany koa ny tena zava-nitranga marina tamin’ny datin’ny 07 Febroary 2009 izay karazan’ireo tsy nisy fanadihadiana tsara akory hatreto. Ny fitsarana ve sa ny Antenimieram-pirenena sa ny Haute Cours de justice izay tokony hitsara ny zavatra tahaka ireny no tsy nandray ny andraikiny ? Aleo tohizana ny fanadihadiana tokony natao.
Dadafara : Tena niaina iny tranga teny Ambohitsirohitra iny mihitsy aho tamin’ny 07 Febroary taona 2009. Saika maty teny mihitsy aho tamin’iny fa nahay nitsoaka nody nefa tokantena. Tokony hanaovana fanadihadiana iny tranga iny, indrindra fa ho an’ireo naratra sy namoy ny ainy. Tsy tokony ho latsadatsa-poana izany mantsy ny ran’ny Malagasy mpiray tanindrazana. Fa eo an-danin’izay toa tsy nisy vokany ho an’iny firenena akory iny tranga iny. Vao mainka sahirana aza ny vahoaka amin’izao miatrika fiainana.
Atoa Tsiry : Tena tadidiko tsara iny kah ! Tsy tokony avela ho very maina iny tranga iny na dia efa 16 taona lasa aza. Amin’ny maha-Malagasy ny tena mantsy dia ny fihavanana no voalohany indrindra. Nisy anefa ny ain’ny tsy manan-tsiny nafoy tamin’iny tranga iny ka tokony hitady ny rariny momba ireny olona maty ireny ny tompon’andraikitra. Ry zareo ao ambony mantsy no misakoroka nefa ny vahoaka tsy manan-tsiny no tafiditra ao anatin’izany. Ankoatra izay tranga tsy nahitam-bokany akory izy. 16 taona izay no lasa fa tsy hita izay fiovam-piainana iainan’ny Malagasy.
Pati
Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra
Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana
Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina
Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia