airtel

Politique

07-févr-2025

Raharaha 7 febroary : miteny ny olom-pirenena

« Tokony hanaovana fanadihadiana, nanapotika firenena »

Sample post image

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

07-févr-2025

mahatsiravina teny Ambohitsirohitra, tamin’ny taona 2009, fotoana nanafihan’ny sasany ny lapam-panjakana niasan’ny filoha teo aloha Ravalomanana ka nitaritany ny vahoaka hanitsaka ny faritra mena. Mbola betsaka ny tsy mazava tamin’iny tranga iny amin’ny ankapobeny. Tsy manadino izany ny olom-pirenena. Fanirian’izy ireo mafy noho izany ny tokony hanaovana fanadihadiana lalina mikasika iny tranga iny, voina izay nambaran’izy ireo fa nisy fiantraikany tamin’ny fiainam-pirenena akory. Nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy ireo.
Atoa Albert : Tranga tsy mety hadino teto amin’ny firenena izy ireny. Fa mikasika ireo lasibatra tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny fanampiana ny tolo-tanana hatao azy fa karohina ihany koa ny tena zava-nitranga marina tamin’ny datin’ny 07 Febroary 2009 izay karazan’ireo tsy nisy fanadihadiana tsara akory hatreto. Ny fitsarana ve sa ny Antenimieram-pirenena sa ny Haute Cours de justice izay tokony hitsara ny zavatra tahaka ireny no tsy nandray ny andraikiny ? Aleo tohizana ny fanadihadiana tokony natao.
Dadafara : Tena niaina iny tranga teny Ambohitsirohitra iny mihitsy aho tamin’ny 07 Febroary taona 2009. Saika maty teny mihitsy aho tamin’iny fa nahay nitsoaka nody nefa tokantena. Tokony hanaovana fanadihadiana iny tranga iny, indrindra fa ho an’ireo naratra sy namoy ny ainy. Tsy tokony ho latsadatsa-poana izany mantsy ny ran’ny Malagasy mpiray tanindrazana. Fa eo an-danin’izay toa tsy nisy vokany ho an’iny firenena akory iny tranga iny. Vao mainka sahirana aza ny vahoaka amin’izao miatrika fiainana.
Atoa Tsiry : Tena tadidiko tsara iny kah ! Tsy tokony avela ho very maina iny tranga iny na dia efa 16 taona lasa aza. Amin’ny maha-Malagasy ny tena mantsy dia ny fihavanana no voalohany indrindra. Nisy anefa ny ain’ny tsy manan-tsiny nafoy tamin’iny tranga iny ka tokony hitady ny rariny momba ireny olona maty ireny ny tompon’andraikitra. Ry zareo ao ambony mantsy no misakoroka nefa ny vahoaka tsy manan-tsiny no tafiditra ao anatin’izany. Ankoatra izay tranga tsy nahitam-bokany akory izy. 16 taona izay no lasa fa tsy hita izay fiovam-piainana iainan’ny Malagasy.
Pati
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

daholo ny mpitondra teto hatramin’izay »

Card image cap
15-déc-2025

Mitondra sosokevitra hanatsaràna ny

Card image cap
15-déc-2025

Hanao fihaonambe voalohany

Card image cap
15-déc-2025

Raha nilaza ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny

Card image cap
15-déc-2025

Mila ezaka amin’ny fangaraharahana sy fanaporofoana ny fanovàna…

Card image cap
15-déc-2025

Nidina ifotony nanao fakan-kevitra mikasika

Card image cap