airtel

Politique

11-oct-2022

Politique

Raharaha Mahery Lanto Manandafy Raikitra ny antso fanambaran-kery

Sample post image

Tsy voaray tao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy ny fitoriana nokasain'ny vadin'i Mahery Lanto Manandafy hapetraka omaly.

11-oct-2022

Fitoriana noho ny fandrahonana ho faty nataon'ilay teratany vahiny iray tamin'i Malama. Nambaran'ireo polisy tokony handray ny fitoriana fa mila apetraka eny anivon'ny fitsarana izany. Heverina fa misy ny tsindry satria raha ny lojika, tokony ho azo noraisina tsara, ary ny dosie sy ny famotorana avy ao no isan’ny atolotra hiasan’ny fitsarana avy eo. Tsara ny mampahatsiahy, fa misy depiote sy mpitandro ny filaminana miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika notononin’I Mahery Lanto Manandafy. Sao mba isan’ny antony handrirarirana ny fitorian’I Mahery Lanto Manandafy? Tsy nandeha irery ny vadiny fa nisy ireo mpanotrona, nanao fanamiana maneho fa ao anatin’ny tolona izao, nanamarika izany ny loko mena,… Nisy ny fanambarana iraisana nataon’ireo vondron’olona maro tonga tetsy Anosy omaly naneho fa manameloka: ny fampidirana am-ponja ireo mpampaneno lakolosy, ny fandatsahan-dra sy ny fampiasana fitaovam-piadiana (basy, bala) hamonoana ny mpiray tanindrazana, ny fanitsahana ny zo fototry ny vahoaka hisitraka vaovao ary ny zon’ny tsirairay amin’ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra. Mitaky fitsarana marina sy tsy mitanila eto amin’ny Tany sy ny Firenena fa tsy fitsarana ialokalofan’ny mpanambola sy ny tsimatimatimanota. Mitaky ihany koa ny fametrahana Fanjakana tena tsara tantana hanjakan’ny mangarahara ka hametraka ho laharam-pahamehana ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka. Noho ireo rehetra ireo, mitaky ny famoahana tsy misy fepetra an’I Mahery Lanto Manandafy sy izay mpampaneno lakolosy nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny famoahany vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera izy ireo, ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa I Stan’ley Ramarivelo. Niantso famondronan-kery avy amin’ny Malagasy sy ny herivelona rehetra tsy mankasitraka ny jadona sy ny tsimatimanota hiray feo sy fo aminay. Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena hijery akaiky sy hanameloka ny raharaha ihany koa ireo rehetra tonga nanohana an’I Mahery Lanto Manandafy omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap