airtel

Politique

04-janv-2023

Politique

Raharaham-pirenena Mamofompofona hetsi-bahoaka ny 2023

Sample post image

Tsy nitsitsy fitenenana I Marc Ravalomanana ny 02 janoary 2023 nandritra ny fiarahabana tratry ny taona teo aminy sy ireo solontenan’ny mpanara-dia azy, fa tsy afaka hialona ireo olona tsy mataho-tody tsy matahotra

04-janv-2023

an’Andriamanitra fa Andriamanitra no mamaly azy. “Efa vita ny an’ireo, avelantsika ho vita ny an’ireo, efa lasa ny an’ireo,… Ny tsy matahotra an’Andriamanitra dia mandainga amin’ny vahoaka, ny feom-bahoaka feon’Andriamanitra, ka tsy azo vazivaziana sy laingalaingaina na fitapitahina, na hanaovana kobaka am-bava sy fampanantenana poakaty”, hoy izy. Nahitsy ity Filoha teo aloha ity nilaza fa tsy mahalala ny tokony hatao mihitsy na kely aza fa mampanofinofy olona fotsiny. Notsipihina kosa fa tsy mahafaly ny vahoaka no atao fa iza mahasoa azy. Nanamafy ny nambarany dia ny hoe: ho taonan’ny tolom-piavotana ny 2023 I Marc Ravalomanana ka naneho fa vonona hitarika vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may I Marc Ravalomanana. Niantso firaisan-kiana ho an’ny mpanohitra tsy hanaiky ihany koa. “Efa naka lesona, efa niova, mahafantatra ny tokony hatao, nandraisiko lesona avokoa ny zavatra nitranga. Misokatra amin’ny mpanohitra rehetra ny varavarana”, hoy izy. Hentitra ny tenany nilaza fa tsy hanaiky lembenana intsony tahaka ny 2018. Nitodika tamin’ny mpitandro ny filaminana, naneho fa efa Filoha farantampon’ny Fololalindahy, ka nilaza tokony hiverina an-dakazerina fa tsy hampijaly vahoaka. Sahy milaza mihitsy, hoy izy, ny tompon’andraikitra voalohany hoe hiaro na efa tsy marina izao, ka hanody ny taranany io. “Sao mieritreritra hoe: mangina dia resy ny Malagasy, tsy resy intsony izahay, fa handresy. Ianareo milaza fa tsy afaka hihetsika izahay, afaka mihetsika ary mahavita hihetsika rehefa tena hihetsika. Nihetsika ny tany Morondava nentiko ny vahoaka, rehefa nantsoina ny vahoaka, nihemotra ny Emmo-reg, ho sahinay ny hanao izany etsy Analakely ary ho sahiko izany. Misy fotoana ny zava-drehetra fa mahalala ny tokony hataonay izahay, mahalanjalanja tsara, fa tsy fahafirin’ny isanay ny isanareo aman’aliny kely io. Tena vitanay izany, ary hataoko”, hoy I Marc Ravalomanana. Tsikaritra ho manana antoka amin’ny tenany, ary tsy manana tahotra I Marc Ravalomanana tao anatin’ny fanambarany.
MIRAY FEO …
Efa endriky ny fiakaran’ny maripana politika amin’ity 2023 ity sahady itony fanambarana mahery vaika itony. Toa karazana fampitandremana, fa eo ihany koa ny toa fanehoana hery sy tanjaka fa afaka hijoro handavo ny Fitondrana ankehitriny, raha hilaina, ary tsy hanaiky lembenana intsony. Ao anatin’ny fotoana fahalemen’ny Fitondrana Rajoelina no mipoitra ny fanambarana mahery vaika. Mandeha ihany koa ny fihaonana sy fifandresen-dahatra ara-politika samihafa amin’izao fotoana izao, misy ny fampitoviana tandin-dokanga mandeha, ary toa hevitra iraisana ny hoe: tsy mety intsony ny hitantanan-dRajoelina ny firenena amin’ny alalan’ny mety ho amboletra, tsy ekena ny fikatsahana hanemotra ny fifidianana,… Na ireo olona nanongana an-dRavalomanana tamin’ny 2009 izay tsy miara-dia aminy aza ankehitriny dia voalaza fa efa nihaona sy nifandresy lahatra taminy momba ny raharaham-pirenena. Tahaka izany ihany koa ny mpanao politika goavana vao nisintaka vao haingana tao anatin’ny fitondrana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap