hoy ny firahalahian’ireo CST sy loholona eto Madagasikara na ACS na koa hoe “Amical des CST et sénateurs de Madagascar”, omaly tetsy amin’ny Radama hotel Isoraka. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’izy ireo, ny Dr Jules Randriamaholisoa, dia efa nandefa serasera am-bava tany amin’ny primatiora ny minisitry ny toekarena sy ny tetibola izay ho ampidirina anaty filankevitry ny minisitra mba hahafahany mandoa an’izay zon’ny CST izay. Misy vola izany ao, hoy izy, fa tsy maintsy miandry ny fankatoavana avy amin’ny filankevitry ny minisitra vao afaka mamoaka azy. Ny 10 mey 2022 teo no nandefasana izay serasera am-bava izay. Mbola tsy nampidirin’ny praiminisitra ao anatin’izany dosie izany hatramin’izao anefa io dosie io. Tsy rariny izany. Tsy izahay ihany fa marobe ireo vondron’olona tsy voalohan’ny fitondram-panjakana ny zony. Isany izao ireo mpandraharaha amin’ny fikojakojana ny vola izay efa 2 taona izay no tsy nahazo ny anjarany. Isany koa ny kraomita malagasy, ny SECREN, ny “indemnité d’installation” ho an’ny mpiasam-panjakana misotro ronono sy ny hafa marobe. An’alina ny dosiena mpiasam-panjakana am-perinasa izay miantona ao amin’ny primatiora ao fa tsy soniavin’ny praiminisitra ireo dosie rehetra ireo nefa sady karazan’ny “integration”, “reclassement”, “titularisation” izay goavana be amin’ny mpiasam-panjakana. Mikasika ny mpiasa tsy miankina indray dia misy naotin’ireo minisitera izay navoakan’ny governemanta izay mamerina ny karama farany ambany 250.000 Ariary ho 217.000 Ariary amin’ny taom-baovao 2023. Tsy misy eran-tany sy tsy azo ekena izany rehetra izany. Miheritreritra noho izany ny ACS fa ho apetraka ny komity iombonana ary atambatra ny hery ahafahana miatrika ny fitakiana manaraka, hoy hatrany ny ACS, nanakiana mafy ny praiminisitra manoloana ny raharaham-pirenena mihitsoka.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny