airtel

Politique

10-nov-2022

Politique

Raharaham-pirenena mihitsoka Nokianin’ny ACS mafy ny praiminisitra

Sample post image

Misy ny zo fototra na karama nandritra iny tetezamita iny izay mbola tsy voarainay satria mbola tsy nalohan’ny fitondram-panjakana hatramin’izao isika miteny izao,

10-nov-2022

hoy ny firahalahian’ireo CST sy loholona eto Madagasikara na ACS na koa hoe “Amical des CST et sénateurs de Madagascar”, afak’omaly tetsy amin’ny Radama hotel Isoraka. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’izy ireo, ny Dr Jules Randriamaholisoa, dia efa nandefa serasera am-bava tany amin’ny primatiora ny minisitry ny toekarena sy ny tetibola izay ho ampidirina anaty filankevitry ny minisitra mba hahafahany mandoa an’izay zon’ny CST izay. Misy vola izany ao, hoy izy, fa tsy maintsy miandry ny fankatoavana avy amin’ny filankevitry ny minisitra vao afaka mamoaka azy. Ny 10 mey 2022 teo no nandefasana izay serasera am-bava izay. Mbola tsy nampidirin’ny praiminisitra ao anatin’izany dosie izany hatramin’izao anefa io dosie io. Tsy rariny izany. Tsy izahay ihany fa marobe ireo vondron’olona tsy voalohan’ny fitondram-panjakana ny zony. Isany izao ireo mpandraharaha amin’ny fikojakojana ny vola izay efa 2 taona izay no tsy nahazo ny anjarany. Isany koa ny kraomita malagasy, ny SECREN, ny “indemnité d’installation” ho an’ny mpiasam-panjakana misotro ronono sy ny hafa marobe. An’alina ny dosiena mpiasam-panjakana am-perinasa izay miantona ao amin’ny primatiora ao fa tsy soniavin’ny praiminisitra ireo dosie rehetra ireo nefa sady karazan’ny “integration”, “reclassement”, “titularisation” izay goavana be amin’ny mpiasam-panjakana. Mikasika ny mpiasa tsy miankina indray dia misy naotin’ireo minisitera izay navoakan’ny governemanta izay mamerina ny karama farany ambany 250.000 Ariary ho 217.000 Ariary amin’ny taom-baovao 2023. Tsy misy eran-tany sy tsy azo ekena izany rehetra izany. Miheritreritra noho izany ny ACS fa ho apetraka ny komity iombonana ary atambatra ny hery ahafahana miatrika ny fitakiana manaraka, hoy hatrany ny ACS, nanakiana mafy ny praiminisitra manoloana ny raharaham-pirenena mihitsoka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap