fifidiananana filoham-pirenena farany ny hahazo an’Atoa Andry Rajoelina. Isan’ny nampalemy azy ny fitsimbadihan-drafitra niainga tamin’ny tolon’ny depiote 73 ka nisian’ny didin’ny HCC izay nampandrava ny governemanta, izay tsy voalazan’ny lalàmpanorenana. Voatery nizara fahefana tamin’ny mpanohitra, hany ka lasan’i Andry Rajoelina ireo rafitra tena stratejika be tamin’ny fifidianana dia ny Praiminisitra sy ny Minisiteran’ny atitany. Na izany aza, sarotra ny toerany ary mety ho loharanon’ny sakoroka eto ny fikotrehana na fikasana hanao hosoka ara-pifidianana. Mbola mandeha rahateo ny tsindry samihafa amin’ny mety ho fikitihana sy fanovan-drafitra. Sary efa niseho tamin’ny 2018 ny mety hiverina amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Itovizany amin’ny tranga nahazo ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ny fisintahan’ireo mpiara-dia mety ho lasa mpifaninana aminy mivantana amin’ny fifidianana. Ireo mpikamban’ny governemanta toa ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, ny Minisitra Paul Rabary,… izay lasa mpifaninana tamin’I Hery Rajaonarimampianina ka vao mainka nampalemy ny tanjak’izy ireo, ary niaraha-nahita iny ny vokatra izay 8%. Mbola adihevitra hafa ny mety nisian’ny hala-bato na fanodinkodinana voka-pifidianana, ny raharaha “doublon”,… Mety tsy hifanalavitra amin’izany ny an-dRajoelina satria heverina fa hirotsaka ny Minisitra teo aloha Hajo Andrianainarivelo, ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko,... Ny MMM dia isan’ireo manana olom-boafidy betsaka izay tao anatin’ny IRD eo anivon’ny Antenimierampirenena na any amin’ny kaominina izay nandeha tamin’ny anaran’ny antokony; misy amin’ireo depiote IRD ihany no nitsimbadika nakany amin-dry Siteny Randrianasoloniaiko. Efa karazan’ny namono biby tsy nahafaty I Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny raharaha fanonganana ireo Mpikamban’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena. Isan’ny manana ny tanjany ao anatin’ny Faritanin’I Fianarantsoa, ohatra, ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa, saingy ireny ny nanaovana azy. Ireo matretre na mpanefoefo manodidina ny Filoha, toy ny mpandraharaha matanjaka Atoa Mamy Ravatomanga misy mivoy fa mety ho kandida, ary very tanteraka I Andry Rajoelina raha izay no mitranga, hoy ny mpanao politika sady mpahay toekarena izay naneho fa mahalala tsara azy ireo. Mety mailo ihany koa ireo mpandraharaha goavana na Malagasy na vahiny, ary mety hitady soavaly hafa na manao fitan-droa, fa tsy mitaingina soavaly maty, hoy ny fitenenana. Io iaraha-mahita io, ohatra, ny fihetsiky ny Antoko AVI naorin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, izay misabaka tanteraka ireo mpitarika 3, ka misy ny elatra miara-dia amin’Atoa Siteny Randrianasoloniaiko amin’ny alalan’ny Depiote Rabenirina Jean Jacques sy ny Minisitra teo aloha Rtoa Ndahimananjara Johanita, ary ankilany ny elatra tarihin’Atoa Sylvain Rabetsaroana izay manohana an-dRajoelina. Tsy tongatonga ho azy izany amin’ny politika, ary ary azo adika ho efa tsy fahatokisana 100% an-dRajoelina intsony ho an’ny 2023.
Ny zava-misy ara-toekarena, ny tontolo sosialy, ny fitomboan’ny fahasahiranana sy fahantrana, ny delestazy, ny fahapotehan’ny sehatry ny lavanila, ny olan’ny fampianarana, tsy fandriampahalemana,… dia isan’ny handetika an-dRajoelina. Atoa Hery Rajaonarimampianina niala teo namela fitomboan’ny harin-karena faobe 5,4% fa zara raha 8% ny vato azony ka raha voahaja ny lojikan’izay tarafina amin’ny fijotsoan’ny firenena ankehitriny dia tokony ho firy isan-jato ho azon-dRajoelina ?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny