airtel

Politique

08-août-2023

Politique

Raharaham-pirenena sy fifidianana “Tonga ny fotoana hanovana ny rivotry ny ady”

Sample post image

Isan’ireo naneho ny fahavonany hirotsaka ho kandida Filoham-pirenena Atoa Tahina Razafinjoelina, mpampianatra, mpandraharaha, tompona orinasa,…

08-août-2023

fa amin’ny kongresin’ny Antokony izay tsy ho ela no hanapahana izany, raha nambarany tamin’ny fanasan’ny Radiom-pirenena Malagasy na ny RNM azy, tamin’ny fandaharana Savaravina ny alahady lasa teo, ary mbola nohamafisiny tamin’ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery samihafa omaly. Vizaky ny adina olona roa, hevitra roa, ny firenena, tao anatin’ny 16 taona mbola izany foana, hoy izy. Izay no nahatonga an’ilay hoe: tonga ny fotoana hanovana ny rivotry ny ady. Tahaka ny mpivady io hoe: rehefa miady dia miantraika any amin’ny ankizy. Notsipihiny fa kosa fa vina no resahana fa tsy olombelona! Nambarany fa misy olon-dehibe manoro hevitra sy miara-miasa satria tsy vitan’olon-tokana, hoy izy eo anatrehan’ny filazana fa japian’ny dinôzôro politika izy. Lasa heverintsika fa tsy nisy nentin’ireo zokiolona, isaky ny handeha dia hoe: hanao anao zava-dehibe foana, hoy izy nanamafy. Mahalala tsara ireo zokiolona, ny Filoha Ratsiraka nitodika tany Atsinanana, ny Filoha Zafy Albert nanao “financement parallèle”, dia samy niarahana nahita ny vokany. Ilaina ny fitohizan’ny raharaham-panjakana, ny olana no tadiavina sy vahana, hoy izy. Ara-pifidianana, olana voalohany ny lisi-pifidianana, ny fitantanana ny bileta tokana, efa nangataka ny hahafahan’ny kandida tsirairay ny bileta tsy nampiasaina. Ara-bola ampahany kely dia kely ny nataon’ny “basket fund”, ny an’ny Fanjakana tsy dia haiko hoe: ohatrinona, izay ilàna mangarahara? Raha hoe 65 na 80 miliara Ar ohatra, tokony hazava hoe: firy amin’izany no efa vonona? Asehoy eny amin’ny fokontany ny lisitra, raha tsy manam-bola ny Fanjakana dia antsoy ireo mpanao politika fa vonona ireo. Fotoana fohy ireo dia vita, tsy ilàna fanemorana fifidianana, hoy ity mpanao politika manam-paniriana ny ho kandida Filoham-pirenena ity. Eo anatrehan’ny filazana fa misabaka ara-politika na namadika ny tenany, izay niara-dia tamin’Atoa Marc Ravalomanana sy ny TIM dia nahitsy izy naneho hoe: “izaho tamin’ny 2001 “assistant” an’ny Talen’ny Fampielezan-kevitry ny Kandida Marc Ravalomanana, nisy tsy fihetezana dia izao no toa lasa nanao izany. Vita izany, tsy hitanareo nitady seza, tsy nangataka na Ariary aza, nanohy ny asanay, nanohy ny fianaranay. Tamin’ny 2009, betsaka no nanatona hoe: mandefa CV”, fa tsy niditra tamin’izany”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Tamin’ny 2006, nantsoin’ny Minisitra hoe: mila fanampiana amin’ny informatika, mila fanampiana hanolontsaina manokana satria mpampianatra aho, tamin’izany no nahalalana ny olan’ny fampianarana. Izany no andraikitra noraisiko hoe: fa tsy mbola nahita ahy nitady seza ianareo! hoy hatrany I Tahina Razafinjoelina.

TENA VONONA SY SAHY HIFANINANA AMIN’IREO KANDIDA BE VOLA SY MALAZA VE?
Latsaka ny 1/100 an'ny kandida Rajaonarimampianina no nampiasainay tamin’ny 2013. Diso ny firesahana vola foana fa tsy io ihany. Raha te ho tonga amin'ny tanjona dia miovà lalana, hoy i Tahina Razafinjoelina. Tsy sosialisata aho hoe: omena kely ny olona, betsaka no azo hampandrosoana Malagasy, fa tsy fitserana. Ny vinany no Jereo! Tadidio fa tamin'ny 2013, minisitra nijanona tany anaty birao, efa 10 andro vao hoe ity ny kandida. Aza adino, Pr Zafy nanao « madaraid » nialoha roa taona fa lany sa tsia ? Hoy I Tahina Razafinjoelina. Nanamafy fa efa manomboka hita manerana ny Nosy ny Antoko Tia Tanindrazana, ary misokatra ho an’ny rehetra ny Vovonana Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana satria tsy vita irery ny fampandrosoana! Naneho fa tsy kandida any anaty birao na eny amin’ny Facebook, fa tena hiezaka hitety ireo distrika manerana ny Nosy, tena hanao ilay atao hoe: fampielezan-kevitra!
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap