fahendrena sy fomba ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Samy manana ny zoro na «angle» hijereny izany ny tsirairay, hoy izy. Ny zava-misy ankehitriny dia mbola mifototra any amin’ny hoe iza no hitondra, iza no tsy mendrika ny hitondra? Iza no tokony hanam-pahefana, iza no tsy tokony hanam-pahefana? Mbola resaka olona na antoko na vondrona no tsikaritra. Mbola misarika ny sain’ny be sy ny maro aho ary miala tsiny amin’ireo zoky raiamandreny ara-taona, ara-pahaizana, be diplaoma be, galona be, voninahitra be, fa raha mbola mizarazara ity Madagasikarantsika ity, voaviraviran’ny ady ara-tseza, ara-pahefana, izay famoronan-karena no ao ambadika ao, famoronana fahefana, dia mbola tsy hitondra ilay tombontsoa tena ho an’ny firenena sy ny vahoaka tsy mandady harona, indrindra, ireo maro an’isa any ambanivohitra ny adihevitra mikasika izany. Raha te hitondra ny ilaina amin’ity tany ity dia misarika ny saina aho hoe midina aloha any ambanivohitra! Mba mipetraha amin’ilay toeran’ny any fa na iza na iza eto dia lasa ohatran’ny hoe fitaovana daholo ilay olombelona manana ny zony sy hasiny. Ny eto an-drenivohitra eto foana no lasa mitabataba hoe izao na izao io. Ny vokany anefa, raha ny hita hatramin’izao, dia ny manolo olona no maha maika. Samia milatsaka any ifotony ny mpitarika rehetra ary henoy ny hevitr’ireo olombelona ireo. Any isika vao miresaka ny hoe inona marina ny rafitra tokony hitondrana ity firenena ity vao hoe iza no tokony hitondra? Hifanaraka amin’io rindran-damina voapetraka io amin’izay ny fitarihany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,