airtel

Politique

19-janv-2023

Politique

Rajoelina, 4 taona aty aoriana Nahay naka fahefana saingy sahirana mitantana

Sample post image

4 taona katroka anio 19 janoary 2023 ny fianianan’ny Filoha Rajoelina tetsy Mahamasina. Fiaingana toa nahavelom-bolo satria tonga nanome voninahitra avokoa ireo mpitondra nifanesy mbola velon’aina tamin’izany.

19-janv-2023

Nandefitra ny kandida nifaninana na betsaka aza ny ahiahy tamin’ny zotram-pifidianana. Tsy arak’izay anefa ny vokatra, voaporofo hatrany ankehitriny, fa tsy niomana hitondra firenena sy hampandroso fa niomana haka sy handrombaka fahefana. Sarotra ny hisian’ny fahagagana ao anatin’ny 7 volana farany, ary tsy antenaina hisy fiovam-pitantanana firy na mbola homena 5 taona aza, raha tarafina amin’ny nafitsoka niainga 2009. Na ny ao anatiny aza mahatsapa sy mitsikera fa tena tsy izao no nampanantenaina : nitombo 81% ny tahan’ny mahantra ary mety ho tafiakatra 99% aza raha ny ahiahin’ny Banky Iraisam-pirenena. Tsy vitan’ny olona iray ny fitantanana sy fampandrosoana firenena fa mila ekipa, ary mila fiaraha-mientan’ny vahoaka. Tsy vitan’ny hoe : olona be diplaoma be dia mety, fa mila manana fahaiza-manao be amin’ny resaka asam-panjakana, fifandraisan'ny andrim-panjakana, indrindra mahay tsara ny tantaram-pirenena sy ny tantara politika, maharaka be ny zava-misy maneran-tany, ary ny tena ngenza dia hoe mahalala tsara ny fiainam-piarahamonina sy ny tontolon'ny fandraharahana eto, ny fomban-tany,.... Tsikaritra ho tena maivana ny Fitondrana ankehitriny amin’io, fa any amin’ny resaka serasera no kinga be, izay mety am-boalohany ary taratr’izany ny propagandy, fa tsy mahazaka lazon'ady avy eo rehefa tsaraina amin’ny vokatra. Isan’ireo sangany tamin’ny fahaizana am-pahalalana ny Filoha Ratsiraka fony nitondra, fa mbola nampiasa olona tena mafy sy havanana tamin’ny politika, ara-toekarena, fifandraisana iraisam-pirenena, lalàna, ary teo am-pelantanany ny tafika,… Na teo aza izany, sahirana ihany tamin’ny fitantanana firenena, matoa ary nirodana tamin’ny 2002. Henjana ny raharaha 2002 niakaran’I Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana, saingy hainy ny nanentana sy niantso ary nanetsika ireo manam-pahaizana Malagasy nanana ny toerany tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tahaka ny tany amin’ny Banky Iraisam-pirenena,… Mafy ny olona sy ny ekipany matoa nahavita nampiakatra ny harin-karena ho 7,1% na teo aza ny krizy ara-bola goavana naneran-tany ny 2008. Teo ny efa traikefany sy ireo manam-pahaizana Malagasy netsehiny, fa niantso hatrany manam-pahaizana vahiny toy ilay mpahay toekarena efa nahazo ny amboara Nobel dia I Joseph Stiglitz, , mpanolontsaina ara-politika teratany Allemand Docteur Einsslin, ilay Frantsay Michel Prévost sy ilay Norvezianina Roger Christen teo amin’ny lafiny PIC (Pôles Intégrés de Croissance),… Tsy resaka fanasohasoana tsangan’olona, fa ny soa fianatra! Mafy izany Fanjakana Ravalomanana izany, ary mba nahavita izay vitany ihany, saingy niongana ny 2009 ka tokony hieritreritra ihany ny Filoha sy ny ekipany eo anatrehan’izao vokatry ny fitantanany izao. Ny isan’ny nampitovy ny Filoha Ratsiraka sy ny Filoha Ravalomanana dia toa feno kokoa ny fahefany manapa-kevitra fa ankehitriny toa somary hafahafa ka mampametra-panontaniana hoe: iza no tena mitondra ny baolina? Sao mba any ihany koa no lesoka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap