airtel

Politique

13-févr-2024

Rajoelina lasa nivory any Dubai

Io indray ilay sehoseho ivelany tsy misy vokatra misongadina !

Sample post image

Tanterahana any Dubaï nanomboka omaly 12 febroary hatramin’ny

13-févr-2024

rahampitso ny Fihaonambe maneran-tany ho an’ny governemanta na ny WAM na World Governements Summit andiany faha-11. Fihaonana hiresahana ny fanamby ho an’izao tontolo izao ho an’ny ho avy. Hiresahana betsaka ny asan’ny governemanta hahitana vokatra mahomby kokoa eo anatrehan’ny olana sedrain’izao tontolo izao indrindra ny lafiny mahaolona, hanatsarana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’ireo governemanta samihafa maneran-tany. Hifantoka betsaka amin’ny fifanakalozana fahaiza-manao. Lasa any ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany. « Hafaliana ho ahy ny mitondra ny feon'ny vahoaka Malagasy sy ireo vina napetrantsika izay miara-dalana tanteraka amin'ny haitao ara-kajy mirindra eto amineny World Governements Summit eto Dubaï. Miara-dalana tanteraka sy iankinan'ny fanatanterahana ireo vina napetrantsika ny fifehezana ny haitao ara-kajy mirindra. Voninahitra ho an'i MAdagasIkara ny maha-vahiny nasaina manokana antsika ary handraisako fitenenana manoloana ny fihaonambe rahampitso. Mahafaly ahy hatrany ihany koa ny mihaona indray amin'ireo filoha Afrikana rahalahiko toa ny filoha Paul Kagame androany », hoy i Andry Rajoelina. Vao miresaka Dubaï dia isan’ireo toerana hiondranan’ny harem-pirenena Malagasy betsaka indrindra, toy ny volamena. Zava-dehibe aloha amin’ny lafiny iray ny hoe : mandray anjara ny Malagasy amin’ny alalan’ny mpitondra azy, saingy ny fahitana azy hatreto dia ny fandraisan’anjara no zava-dehibe, ny volam-bahoaka no lany,… fa ny vokatra entin’ireny dia makany ivelany ireny tsy dia hita soritra amin’ny toekarena fa serasera manaka-danitra sy fandokafan-tena no betsaka raha tsy hilaza afa-tsy ilay hoe : « champion » amin’ny indostria ny Filoha Malagasy tany Vienne Autriche, « champion » amin’ny fanjarian-tsakafo, delegasionina efa ho 100 isan-taona manatrika COP na fihaonambe maneran-tany ho an’ny fiovaovan’ny toetr’andro fa tsy hita izay vokatra, ny resaka famatsiam-bolan’ny FMI sy Banky iraisam-pirenena izay mihisatra na zara raha misy mitete,… Indraindray toa mampiteny sary hoenti-maneho fa manga ny lanitra etsy sy eroa saingy vokatra entiny ho an’ny firenena aloha tsy dia hita.
TSY MAHAY MAKA LESONA
Ny Filoha Rwandais ohatra, dia tonga saina tao anatin’ny vanim-potoana nampahery vaika ny adin’i Ukraine izay nanamafy ny krizy eran-tany hoe : tena tsy rariny raha i Ukraine tsy misy afatsy mponina 44 tapitrisa no hamelona ara-tsakafo an’i Afrika izay misy mponina 1,4 miliara ka i Rwanda dia tsy maintsy mahavita tena ara-tsakafo amin’ny 2025. Ny antsika kosa tsy mahay maka lesona amin’ny fomba fiasa nampahomby ny Firenen-kafa fa mainka haka tahaka ny randrana tsy manendrika ny tena. Mahavita mitrosa teleferika efa ho 800 miliara Ar fa ny làlana tapitra potika, ny vahoaka maty noana, ny vidim-piainana midangana,… Taitaitra ao dia hanao « monument » tahaka ny any Brezila, hanao kianja eraky ny tanàna kanefa ny baolina kitra mihemotra,… Ireny ve no maika sa ny hoe : ahoana no hamokarana sy tsy hiankinan-doha lava amin’ny fanafarana entana mandany vola ? Ahoana no hanatsarana ny fampianarana hifanaraka amin’ny filàn’ny firenena ? Ahoana no hahafahana manana politikan’ny fampanan’asa mahomby ka tsy ho vesatra ho an’ny firenena ny vahoaka fa ho hery ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap