airtel

Politique

05-juin-2023

Politique

Rajoelina, Ravalo, Siteny Mifaninana mamory vahoaka, samy tsy mitsitsy fitenenana

Sample post image

Raha mbola miady hevitra sy miady varotra amin’ny fitondran-tena ara-pifidianana, resaka fikaonandoham-pirenena, fidirana amin’ny tetezamita na tsia,..

05-juin-2023

ny ankamaroan’ny politika, dia mihazakazaka amin’ny famoriam-bahoaka kosa ireo mpanao politika 3 heverina fa ho kandida ho Filoham-pirenena, dia ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina tany Maroantsetra, ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tao Mahajanga, ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Nosy Be. Henjakenjana ny kabary politika, izay toa hita taratra ny fifamelezana mivantana na ankolaka. Ho an’I Andry Rajoelina, naneho ankolaka fa izy no mpandresy amin’ny fifidianana. Tena efa kabary miendrika propagandy ranoray, raha tarafina amin’ny fampantenana, niezaka naneho sary fa mbola mamim-bahoaka satria betsaka ireo mpanotrona niandrandra “Tombola”... “Betsaka no milatsaka hofidiana fa iray ihany no Filoham-pirenena. Ny Raimpianankaviana mahavita azy, dia afaka mamelona ny vady aman-janany; ny Filoham-pirenena mahavita azy dia Filoham-pirenena mahavita mamoky sy mamelona ny vahoaka ao aminy, ka izaho dia ho Filoham-pirenena mahavita ary indrindra ho maodely amin’ny hamelomana sy hahavonjy ny vahoaka Malagasy Ao anatin’ny fanamby napetraka ny hahazoana ny fahaleovantena ara-tsakafo, io no tanjona napetrakatsika”, hoy I Andry Rajoelina. Tena izay ve no nataony tao anatin’ny 5 taona? Tena voky ve ny Malagasy ankehitriny? Filazam-potoana ho avy no nampiasainy, ary nampahatsiahy fa I Maroantsetra no distrika nahazoany vato be indrindra, ka dia manantena fa mbola ho voatazona izany. Nampanantena ny hanamboatra ireo tohodrano miisa 9 nangatahan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana noho izany I Andry Rajoelina. Tany Mahajanga kosa, nilaza fa efa mivonona amin’ny aleoko maty amin’ny fanarenana firenena I Marc Ravalomanana. Tsy ho resinareo amin’ny herisetra izahay, manaja ny lalàna, fa tsy hanaiky ny famerezan-jo ny vahoaka, ka ho sahy ary hijoro, hoy ity Filoha teo aloha ity. Niantso ireo mpitandro filaminana ho tonga saina ihany koa I Marc Ravalomanana ka naneho hoe: marina fa mahazo tambitamby sy tambazana fampiakarana galona, saingy diniho tsara fa manana vady ankohonana sy vady aman-janaka ary fianankaviana ka tandremo, aza simbaina amin’ny tombotsoa kely ny firenena. Naneho fa efa satan’ny Firenena Mikambana sy efa fifanarahana maneran-tany ny fahafahana maneho hevitra ankahalalahana. Tany Nosy be kosa, nafana ihany koa ny “Mihava Tour”-n’I Siteny Randrianasoloniaiko. Nilaza fa matahotra azy I Andry Rajoelina matoa tsy mamoaka datim-pifidianana, ary maka tahaka azy. “Matahotra ahy izy, izay no mahatonga azy mangala-tahaka, nanao “fondation” aho, dia nanao ihany koa izy; nanome fiara “4x4” ny depiote aho dia mba nanao ihany koa izy; mitondra ireo depiote aho manao Mihava Tour dia mba nanao ihany koa izy; 6ème dan aho dia natao 6ème dan ihany koa izy, mihaino ny vahoaka Malagasy aho dia manomboka mba te hihaino ny vahoaka Malagasy izy fa tao a anatin’izay 4 taona izay tsy nihaino”, hoy io depiote IRD teo aloha io. Aoka tsy ho voafitaka, aoka tsy ho voavidy, fan a iza na iza hanao politika ka tonga eto Nosy Be, raha hilaza programan’asa tsara indrindra eto ambon’ny tany ka tsy misy fitsinjaram-pahefana dia tsy izy, hoy ity depiote ity. Miha mafana ny politika e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap