Manerana izao tontolo izao dia nomen'ny lalàna iraisampirenena zo feno hiresahany ny fanatsarana ny zon'ny vehivavy ny 8 martsa, hoy izy. Tsy misy lalàna manakana izany eto amin’ny firenena. Inona loatra re no nahazo anareo mpitondra fanjakana ankehitriny no dia mpitandro ny filaminana mirongo fiadiana mahery vaika no nanakana ireto renim-pianakaviana vehivavy malagasy tanam-polo saika haneho hevitra am-pilaminana ao anaty toerana voafefy ireto teny amin’ny Magro Behoririka? Aza atosikareo any amin’ny valifaty sy hatezeram-bahoaka ny firenena fa tsy mendrika ny firenentsika izany. Ny dahalo sy jiolahy feno manerana ny nosy tsy voafehinareo. Ny vehivavy maneho hevitra tanam-polo arovan'ny lalàna iraisampirenena sakananareo amin’ny alalan'ny mpitandro filaminana an-jatony. Nandresy ny vehivavy Tim anio ary izay tomponandraikitra nanome baiko an'iny dia tena nanapotika ny filoha Andry Rajoelina, hoy hatrany ny tenany omaly.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,