tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Mpanao sinema loatra ity fitondrana ity”

Mirona loatra mankany amin’ny fahapotehan’ny firenena ny zava-misy iainantsika vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.

15-nov-2022

Sample post image

Tsy ny ataon’ny mpitondra ihany no mirona any, hoy izy, fa ilay fomba amam-panaon’ny malagasy. Ilay maha malagasy mihitsy no potika tanteraka. Hanjakan’ny vahiny ny firenentsika. Ilaina ny fifohazan’ny vahoaka malagasy. Heverinay fa fotoana izao tokony hifoazan’ny vahoaka malagasy rehetra tia tanindrazana hijoro hanavotra ity firenena ity. Tsy maintsy apetraka eto amin’ny firenena ny fikaonandoham-pirenena. Ny olana dia ny enti-manana fa izahay tsy toa an’ny sasany mandadilady mangataka any amin’ny fianakaviambe iraisampirenena. Raha haka vola any hanaovana fikaonandoha iraisampirenena isika dia misy fepetra ho apetrany. Tsy hiresaka lalampanorenana mihitsy ny fianakaviambe iraisampirenena fa lalam-pifidianana dia vita. Ny lalampanorenana mihitsy nefa no tena fototry ny olana eto. Io lalampanorenantsika ankehitriny io sy izay nifandimby teto dia nalain-tahaka avy amin’ny firenena mpanjanaka. Tsy lalampanorenana mankany amin’ny fampandrosoam-pirenena io fa mankany amin’ny fahapotehana ary izao mbola hitantsika izao, 60 taona izay, dia mbola anaty fahantrana isika. Miantso ny vahoaka malagasy hoe andao hasehontsika izao tontolo izao fa tia tanindrazana isika. Mila miova mifanaraka amin’ny foto-pisainana malagasy antsika io lalampanorenana io. Vitan’ny malagasy izany resa-bola izany na samy handoa 100 Ariary isan’olona aza. Ny any amin’ny faritany moa dia efa vonona ho an’ny taranaka fara-mandimby. Tsy maintsy apetraka izany fanovana lalampanorenana izany raha tiantsika ny handroso. Eo koa ny fametrahana ny fampihavanam-pirenena mba ho tena olompirenena miorina anaty fifankatiavana fa tsy fifanenjehana sy fifanaratsiana no misy. Tsy mitaky fotoana maharitra izany. Raha miziriziry ny fitondram-panjakana dia aleo ny vahoaka no hanapa-kevitra. Ahoana moa no hisy hitifitra nefa olona matanjaka be toy ireny,miliaridera, mpitondra fanjakana, eo am-pelatanany ny fahefana rehetra? Sao dia mba sinema toy ny Apollo 21? Asa iza indray no manaraka atao izany? Sinema efa fantatr’olona izany. Manao izay fomba rehetra hanodinana ny sain’ny malagasy tsy hahafantatra ny fahantrany sy ny nampahantra azy. Iaraha-mahalala fa tsy nisy vitany izay nampanantenain’io ben’ny tanàna io. Nikatona daholo ny lalana ny alahady. Ahoana no tsy nahatrarana izany nitondra moto izany? Mpanao sinema loatra ity fitondrana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may
06-juin-2023

Hotsaraina afaka 10 andro i Nambinina sy Doris

Card image cap
Olona namono tena ho an-dRajoelina Misy ny any am-ponja, ao ireo sosotra noho ny ankilabao
06-juin-2023

Henjakenjana ny resaka fanagadrana politika tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, na io aza no isan’ny nanenjehana sy natao fitaovana politika tamin’ny 2009 nentina nanonganana ny Fanjakana Ravalomanana.

Card image cap
Fihaonan’i Rajoelina sy Macron Sao dia mba hanao «Accord de coopération » vaovao ?
06-juin-2023

Ny 7-9 jona no voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence, fa handehanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina any Frantsa hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.

Card image cap
Fampiharana demokrasia Tena mbola lavitry ny fenitra i Madagasikara
06-juin-2023

Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.

Card image cap
Ninie Donia Naverina am-ponja taorian’ny fitsidihan-dry Siteny
06-juin-2023

Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana «Ny haizina mbola hazava»
06-juin-2023

Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana.

Voir plus