airtel

Politique

17-janv-2023

Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Ny olona mahay mandray toriteny no ho voavonjy”

Sample post image

Ny toriteny dia tsy tokony ahatezitra fa entina hanitsiana ny tsy mety atao raha tena Kristianina isika, hoy ny mpanao politika, Riribe na Rakotomalala Henry.

17-janv-2023

Ao amin’ny Asan'ny Apostoly 2:37 dia voasoratra hoe "Ary raha nandre izany ny olona dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny apostoly namany hoe ry rahalahy, inona no hataonay ? Ary hoy Petera taminy, mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ary ianareo handray ny fanomezana dia ny fanahy masina". Ny olona ho voavonjy ara-pinoana dia ny olona mahay mandray ny toriteny ka manetri-tena miaiky ny helony sy mifona amin'I Jesosy Kristy Tompo amin'ny tsy mety nataony ka mibebaka, hoy ity mpanao politika ity. Ny olona ho very kosa dia ireo izay mihevitra ny tenany ho marina lalandava na dia efa hita miharihary aza fa mankany amin’ny fahaverezana ny lalan-kalehany. Mbola famonjena antsika olombelona Ireny toriteny ireny hanitsiana ny dia fa tsy natao ahatezitra sy hampisafoaka. Mahaiza maka lesona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap