airtel

Politique

30-juil-2025

Ramampy Zénaide, mpikamban’ny «Parti socialiste» frantsay

«Misy fitaizana amin’ny politika ny firenena mandroso !»

Sample post image

Misy fitaizana ny any amin’ny firenena mandroso rehefa manao politika,

30-juil-2025

hoy ny mpikamban’ny antoko politika sosialista na «Parti socialiste» frantsay, Marie Zénaïde Ramampy Lechat. Misy fivoriana matetika, hoy izy, dia arakaraky ny sehatra maha voakasika anao no idiranao ao. Ny ankamaroan’ny ao amin’ny sosialista izao dia ireny mpampianatra amin’ny ambaratonga fototra ireny no ankamaroan’ny mpikambana ao. Ireny tsinona no mifanerasera amin’ny vahoaka sy mahalala tsara ny olany. Te hamaha ny olan’ny vahoaka ireo mpampianatra dia maheno ny kabarin’ny sosialista hoe mifandraika amin’ny ahafahana mamaha izay olam-bahoaka izay dia manatona any. Misy koa ny antsoina hoe «tendance impérialiste». Ny «Gaulliste» moa mivohy ny tarigetran’i De Gaulle sy ny politikany dia miditra amin’ny hery ankavanana notarihin’io Jeneraly tamin’izany izy. Tamin’izany koa aza mbola misy ny atao hoe «Bonapartiste» na dia tsy eo intsony aza ny mpanjaka Napoleon Bonaparte dia mbola misy manana ny toetsainy hoe manitatra fanjakàna na «conquérant» sy ny tahaka izany. Teto koa nisy antoko sosialista dia ny PSD. Ny 60%n’ny mpikamban’ny governemanta Tsiranana dia mpampianatra ihany koa, hatramin’ny minisitry ny tetibola. Eugene Lechat no minisitry ny asam-panjakàna. Ireny no mahalala ny olam-bahoaka dia mamaha ny olam-bahoaka no ataony rehetra. Samihafa ny fitaizàna ny raiamandreny sy tanora anivon’ny antoko. Toy izany koa ny tao amin’ny MFM na Mpitolona ho an’ny fandrosoan’ny madinika. Mpahaifiarahamonina koa moa no nitarika ny antoko. Rehefa tsy faly ny mpitondra tamin’izany dia nafindra toerana any amin’ny faritra ireo MFM ireo. Lany depiote aho ny taona 2003 dia mihaino ny kabarin’ireny MFM nafindra toerana ireny dia taratrao foana hoe taiza MFM izany. Toy izany koa ny AKFM, hany ka na depiote lany tamin’ny AVI niaraka taminay aza dia mbola ahenoana fomba fikabary AKFM. Ny ankehitriny tsy any intsony fa androany AREMA, rahampitso TIM, izao TGV na IRMAR. Ny any amin’ny firenena mandroso ankehitriny, raha ny hita fotsiny, dia hoe vao niditra ny «écologiste» dia misy tafiditra any ny sosialista. Misy tafiditra any koa ny antoko sasany fa rehefa misy adihevitra ao amin’ny antenimieram-pirenena dia heno foana hoe sosialista izany. Ny nahavoa ny sosialista ao Frantsa moa dia ny fisian’ilay hetsika Mélenchon na «Mouvement Mélenchon». Nisy nanaraka ny firehan-kevitr’i Mélanchon izany hoe «La France insoumise» fa nijanona ho sosialista hatrany. Ilay fomba fijery no nankatoaviny sy tohanany. Rehefa mandeha any ny fitsipaham-pitokisana na «motion de censure» dia hitanao mazava fa fotokevitra no ijoroana. Rehefa tonga amin’ny fitondràna ny olona dia mibaribary fa mahazo tombontsoa. Tsy hanonona anaran’olona aho fa misy MFM nafana fo be sy efa nigadra dia lasa IRMAR izy izao satria nijaly loatra tanaty fanoherana angamba dia notambazana dia roboka. Na izany na tsy izany, misy TGV hatramin’ny niandohany kosa anefa aloha mbola TGV hatramin’izao fa nisy maro koa tao no efa nivadibadika, hoy hatrany ny fampitahan’ity mpanao politika efa nitety vanim-potoana maro ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap