airtel

Politique

09-oct-2023

Ratsimba Tahiry na X Tah

“Fototry ny ady an-trano ny fanaovana bemarenina”

Sample post image

2008, niandany sy nifidy an’i ANR ho ben’ny tanàna aho satria reko teo am-pototsofiko mivantana ny antsojay nahazo azy, hoy i Ratsimba Tahiry,

09-oct-2023

izay fantatry ny mpankafy mozika Rap malagasy sy HH amin’ny hoe X Tah. Tena nampiomehy Ravalo prezida, hoy izy. Halako ny nataony. Tsy nanaja ny hafa. Mpamoritra! Niandany tamin’i ANR (TTF: Andry Nirina Rajoelina) foana tamin’ny tolony aho. Vao nanomboka nivilana ny fitakiany dia hoy aho; ohatran’ny mitady hizotra any amin’ny tsy foto-kevitro izy izany. Lasa nahery vaika ny fitakina satria be marenina i Ravalo. Tapitra teo ny fiandaniko azy amin’ny maha mpanao politika azy satria izy indray no tonga mpamoritra. Kaporaly naningazinga jeneraly zokiny indrindra. Tsy malagasy ireny revy ireny amiko. Mbola nanome tso-drano handeha hanakorontana sy handoro ny MBS razoky. vaky vava sy kivy aho tamin’ny fahitalavitra. Nijery fotsiny ny famotehina ny RNM, ilay haino aman-jerim-bahoaka. Niova baomba ilay ANR fantatro kely. Kay tsy fantatro mihitsy izy. Tsy ireny ilay demokrasia noreveko. Ankehitriny, mbola mitana ilay toerana maha "oppresseur" na mpamoritra azy izy. Tsy zaka! Mbola nangataka “nationalité” na zom-pirenena vazaha izy. Eny malalaka tokoa izy. Fa angaha tsy ampy azy ilay malagasy? Izy anie modely e! Tsy azo ampitoviana amiko izy. Izay ihany. Izaho tsy mankahala azy, tsy mankahala frantsay. Hajaiko izy amin’ny maha olombelona azy. Ilay mandraharaha anaty serasera no tena hainy. Miaiky aho raha izay. Ity filoha ity tsy maneva azy, satria tsy ao aminy. Izaho dia miandany amin’ireo voatsindry foana. Antony hitiavako ny Hip Hop, tsy mivazo ho an'ny vahoaka ihany fa mivazo ho an’ny ireo voan’ny tsindry hazolena hatrany, tahaka ny nahazo azy tamin’ny 2007-2008, “panneau tri vision”. Mbola tsy nisy “sollicitation” foana tonga taty, fa vao misy fofona mpangeja dia tsy nafana foana aho ary tsy nanaiky aho. Miezaka isika ho "Honnête" na mampiseho filaminana sy ho mpanao politika mihitsy aho, fa dia manome “courage” ireo manao izany, indrindra ho an’ireo akama. Mankahery ny tolona ankehitriny. Mankahery ireo maratra mafy indray. Hamaranako azy, fototry ny ady an-trano ny fanaovana be marenina sy ny lavaka hita be manelanelana ny tafa sy ny mahantra. Betsaka loatra ireo mahantra amin izao fotoana izao. Manameloka ireo herisetra rehetra amin ny endriny rehetra aho am maha olo tsotra, mpanakanto ahy. Afaka moadiko gisa ny zava niseho, na ny miseho, fa tsy vitako. Diso aho ve ? Olona Afaka aho, olona tsotra tsy misy hatahorana. Fanajana sy Fandriampahalemana ho antsika rehetra tsy misy havahana, hoy hatrany i X Tah.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap