airtel

Politique

11-août-2022

Politique

Ravalo sy ny TIM Voarara ny hetsika manerana ny Nosy

Sample post image

Niantrana am-bava basy vao maraina ny mpitandro filaminnana omaly tany Antsiranana Renivohitra, nanakana ny hetsika famoriam-bahoaka, tafiditra ao anatin’ny fameloma-maso ny Antoko TIM.

11-août-2022

Tsy nomena alalana na ao anatin’ny faritra mifefy aza satria nambara fa tsy naka alalana, ary ahiana hiteraka asa fanakorontanana. Omaly tamin’ny 2ora tolakandro no fotoana nofaritan’ny TIM any Antsiranana hanaovana hetsika sy fivoriam-be ao amin’ny faritry ny Magro any an-toerana, ary any rahateo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny sabotsy lasa teo no efa tonga tany I marc Ravalomanana, izay naneho fa mbola tsy mihetsika, mbola tsy manao na inona na inona izy dia efa atahorana, saingy tsy hahasakana ahy ianareo, hoy izy. Raha mampahatsiahy anefa, ny 07 may 2022 teo, nanao hetsikka ny TGV-MAPAR izay notarihin’ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Rtoa Jocelyne Maxime, izay nisy famonoana omby 25, afaka nanao izay tiany satria nisy hatramin’ny filaharana teny an-dalambe. Ny an’ny TIM kosa na aiza na aiza aleha, voarara, tsy mahazo alalana,… basy aman-tafondro no miandry. Raha noresahina ny teto Antananarivo ny 23 jolay 2022 tetsy amin’ny Magro dia nolazaina fa ahiana ny hisian’ny korontana, mikasa hanongam-panjakana,… hany ka nivadika teny an-dalambe. Raha fanakanana ny fanonganam-panjakana sy ny fanakorontanana tokoa ve no tanjona tsy mora kokoa ny miaro ny mifehy ny olona ao anaty faritra mifefy? Etsy andaniny, ny olon’ny Fanjakana manao vava samihafa fa tsy mahazaka vahoaka, tsy “crédible” ny mpanohitra, resy lahatra amin’ny fampandrosoana sy ny ezaka ataon’ny Fanjakana ny olona,… Inona ary izany no atahorana mpanohitra handeha hamelo-maso ny antokony fa sakanana etsy sy eroa? Midika ny zava-misy fa voarara ary tsy afaka manao famoriam-bahoaka sy fameloma-maso ny Antokony manerana an’I Madagasikara I Marc Ravalomanana sy ny TIM. Mety tsy havela hirotsaka na tsy havela hanao propagandy angamba raha izao no mitohy…
ANTSO AN’EFITRA
Teny an'efitra tsy misy mpiraharaha ilay nataon’ny Filohan’ny Sendikan’ny Adminisitratera sivily hoe: omeo alalana ny rehetra haneho hevitra, aza sakanana izay mahafeno fepetra. Efa nitondra fanamarihana ihany koa ny Filohan’ny Filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna, fa toa mihemotra isika amin’ny demokrasia, tokony hitovy ny fahalalahana ara-politika, ho an’ny rehetra;
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap